Politique

Donak'afo : Mbola hotsaraina…


  • Zoma 08 Febroary 2013

Tsy kivy tsy ketraka i Andry Rajoelina fa dia mbola mitady ny paikady rehetra hahafahana mampanjaka ny heviny ihany. Fifidianana no resaka eto.

 Tsy levon’ny vavonin’ny filohan’ny tetezamita mihitsy ilay nampihemorana ny fifidianana ho amin’ny 24 jolay 2013. Ary mety nandrangitra azy koa ny tsy naneken’ny rehetra ny soso-keviny hanatanterahana voalohany ny fifidianana solombavambahoaka. Nihazakazaka nankany New York avy eo nandalo tao Parisy izy, kanefa tsy nahazo rariny sy tsy nisy mpanohana. Tonga eto Madagasikara izy dia toa manala ny fony sy ny hatezerany ka ambarany indray fa tsy misy tena tia tanindrazana na dia iray aza ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ireo. Dia tena gaga elah, hoy ilay fitenenana, fa mihevitra azy ho tompon’ny fahendrena sy ny fahalalana ary tena tia tanindrazana izany i Andry Rajoelina, ka afaka mitsara ny hafa ? Fa aminy izany dia fitiavan-tanindrazana izao fanapotehana ny firenena izao, izay nitranga noho ny zavatra nataony tamin’ny 2008-2009.

Ny fandrobana ny harem-pirenena etsy sy eroa niroborobo nandritra izao fitondrana tetezamita izao, ny firongatry ny asan-dahalo, efa ho ny 90%-n’ny Malagasy no mahantra fadiranovana ankehitriny, fanafihana mitam-basy ambonivohitra sy any ambanivohitra. Tsy tongatonga ho azy izany fahavoazana rehetra izany, fa nateraky ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina teto, izay namboly ny kolontsain’ny fandravana sy ny fanakorontanana ary ny fanaovana kolikoly tao an-tsain’ny olona. Tokony handinika tsara ny zavatra rehetra nataony aloha ny filohan’ny tetezamita vao mitsara ny ataon’ny hafa, ary raha ny tena marina koa aza dia tsy anjarany velively ny mitsara, fa izy koa aza tsy maintsy mbola hotsaraina…indray andro any. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT