Ilay «ni…ni» izany aloha no mihatra hatreto satria, samy tsy kandida amin’ny fifidianana Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izay fiovana tampoka no tsy fantatra. Tonga amin’ny tanjona niriany ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny, tsy vitsy koa ny Malagasy mihevitra fa mety io.
Fa moa ve tena hamaha ny krizy marina ity «ni…ni» ity ? Mijanona ho filohan’ny tetezamita hatramin’ny hisian’ny filoha vaovao lanim-bahoaka amin’ny fifidianana milamina madio sy mangarahara i Andry Rajoelina, mbola hihitsoka any Afrika Atsimo ve izany i Marc Ravalomanana ? Asa indray anefa izay kajy politika ao an-dohan’ny filohan’ny tetezamita fa toa milaza indray izy fa tokony ho ny fifidianana solombavambahoaka aloha no atao mialoha.
Sao dia efa misy paikady voavolavola any ambadibadika any handrombahan’ny TGV seza faran’izay maro ao amin’ny Parlemanta, dia ho avy indray ohatra ny fikitihana ny lalàmpanorenana any aoriana any ? Maro koa no mihevitra fa raha mbola filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina dia tsy tafaverina eto Madagasikara mihitsy i Marc Ravalomanana, ka sao dia efa tafiditra ao anatin’ny kajikajy koa izay. Mazava ho azy moa fa mbola mitohy ihany izany ny afera sy ny bizna ho an’ireo efa mpanao izany hatramin’ny 2009, ary mety vao miha hiroborobo fatratra aza izany, rehefa variana amin’ny propagandy sy ny fifidianana ny olona ; dia asa fotsiny izay fitrandrahana ny harem-pirenena atao an-tsokosoko any anaty faritra voaaro any. Amin’ny politika dia tsy misy kisendrasendra na fanapahan-kevitra tampotampoka izany fa efa vita mialoha daholo ny kajy fa mba mody manao sinema fotsiny avy eo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.