Politique

Donak'afo : Fanjakan’ny gaboraraka


  • Zoma 25 Janoary 2013

Mipoitra tsikelikely ihany izao ny gaboraraka sy fanararaotam-pahefana ary ny resaka akamakama natao nandritra izao fitondrana tetezamita izao.

 Naniry ohatry ny ananana ny mpianatra malagasy nahazo vatsim-pianarana handrato fianarana any am-pitan-dranomasina. Tsy azo ekena ny tahaka izany hoy i Andry Rajoelina fa tena gaboraraka. Amin’izay dia misimisy ihany ireo zanaka mpitondra ambony na fianakaviana manampahefana tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo mahazo vatsim-pianarana. Mbola gaboraraka tahaka izany koa ny fampidirana mpiasam-panjakana. Ekena mihitsy fa maro ireo mpiasa tonga taona ka handeha misotro ronono ary tsy maintsy soloina izy ireny ; tsikaritra tokoa anefa fa toa mitosatosaka loatra ilay fampidirina mpiasam-panjakana vaovao. Mahoraka be fa misy resa-pianakaviana sy resa-pihaviana ary resaka antoko koa ao ambadik’izy io.

Manao politikan’ny fitsitsiana ny fanjakana kanefa toa misy manampahefana mandray fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany. Ireo aloha no voaresaka sy nambara tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Filankevitry ny minisitra fa ny fanararaotam-pahefana sy gaboraraka isan-tsokajiny any ambadimbadika any tsy mbola fantatra. Tsy angano angano, fa tena misy mihitsy mantsy olona ambony na ny fianakaviany mahavita manorina «villa» roa aman-telo tato anatin’ny tetezamita. Vola aman-jatony tapitrisa Ariary no laniana amin’izany. Avy aiza izany volabe izany ? Iza no tokony hanara-maso ireo manampahefana miha manankarena isan’andro tato anatin’ny tetezamita ireo. Tena tompondakan’ny gaboraraka raha ity fitondrana tetezamita ity, ary misy mihitsy aza ireo mpanao bizina mifananihany hoe : raha tsy manankarena amin’izao, dia mety tsy hanankarena intsony a !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT