Politique

Donak'afo : Fampihavanana sy fitoniana


  • Alakamisy 03 Janoary 2013

Ankoatry ny fiakaran’ny vidin’ny sigara eny amin’ny mpivarotra sasany, dia tsy misy vaovao tena misongadina firy aloha amin’izao fiandohan’ny taona 2013 izao, tahaka ny mbola mifampiandriandry izany ny rehetra.

 Taom-pifidianana ity taona ity. Mialoha izay anefa dia miandrandra filaminana ny Malagasy ka dingana tsy maintsy hirosoana noho izany ny fampihavanana. Efa nampiseho ny fahavononany hanao izany ny FFKM, mazava ny kabary fa andrasana kosa ny asa tena mivaingana. Tsy tahaka ilay fampihavanana heverin’ny mpanao politika anefa ny fampihavanana katsahan’ireo filoham-piangonana, ka asa na hanao ahoana ny fanatanterahana azy. Tsy fantatra koa raha hanaiky an’io ny rehetra, na mbola hisy vondrona na fikambanana hafa indray hanao fivoriambe etsy sy eroa, hanaovana ny fampihavanana.

Samy manana ny heviny momba azy ity moa ny tsirairay avy, ary tsy dia mety loatra ny mifampitsara amin’izany. Ny hita sy tsapa kosa aloha dia tsy mbola feno ankehitriny ny fepetra azo hilazana fa misy ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy, ka ho azo antoka ny hizoran’ny fifidianana an-tsakany sy an-davany, afaka dimy volana. Ary eo anivon’ny CENIT aza dia tena mbola misy ny asa ara-teknika tsy vita, ilay resaka famatsiam-bola ny fifidianana moa dia lasa manjavozavo tanteraka. Maro no mihevitra fa mitaky antoka amin’ny hisian’ny fitoniana sy filaminana ny avy any ivelany vao tena hanome vola hanaovana ny fifidianana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT