Raha ny tokony ho izy dia taom-pifidianana ity 2013. Efa nambara fa ho taom-pifidianana koa anefa ny 2012, saingy inona akory no teo.
Ary izao aza moa dia toa mbola mody fanina izany ny sehatra iraisam-pirenena. Tonom-bola fanampiana no nataony fa ny tena famoahana ilay vola tsy fantatra. Dimy volana mialoha ny fifidianana dia tsy mbola misy ny fanentanana ny olom-pirenena, eny fa na dia ny amin’ny fomba fampiasana ilay bileta tokana monja aza. Iaraha-mahalala anefa fa mbola marobe ny Malagasy tsy mahay na tsy mahafehy tsara mamaky teny sy manoratra ka noho izany mila fampianarana manokana mba hisorohana ny fifanjevoana rehefa tonga ny fifidianana. Raha toa ka nampiseho fahendrena ka nanetry tena ny tsy ho kandida Atoa Marc Ravalomanana, dia mbola manao sangodim-panina amin’ny vahoaka kosa i Andry Rajoelina.
Efa mibaribary be anefa fa maro no tsy mankasitraka ny filatsahan-kofidiany, na eto an-toerana izany na any am-pitan-dranomasina, eny fa hatramin’i Frantsa aza. Tsara hotadidiana ihany koa fa miditra anatin’ny vanim-potoan’ny rivodoza isika izao, koa ny faniriana dia mba hotahian’Andriamanitra ity firenena ity ka hamindrany fo tsy hopotehan’ny rivodoza. Mbola maro ihany koa ny manantena fa efa nandini-tena tsara ireo mpitondra sy mpanao politika ka hikatsaka amin’izay ny tombontsoa iombonana fa tsy ho variana amin’ny ady seza sy ny fanangonan-karena haingana sady manara-penitra. Enga anie !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.