Mafampana ny tontolo politika amin’ity herinandro ity satria miverina mahoraka indray ny fifidianana, ny datim-pifidianana no tena marina kokoa.
Vantany vao nanaiky ny fanelanelanana ny sehatra iraisam-pirenena isika teto Madagasikara dia efa nazava fa tsy tompon’ny teny farany amin’ny fanapahan-kevitra rehetra momba ny famahana ny krizy sy ny fikarakarana ny fifidianana ny mpitondra tetezamita sy ny mpanao politika amin’ny ankapobeny. Niaraha-nanapaka tamin’ny Firenena Mikambana ny tetiandrom-pifidianana navoaky ny CENI-T, koa raha misy ny fanitsiana na fanovana izany dia tsy maintsy ifampierana amin’ny Firenena Mikambana ihany. Misy kajy politika manokana ny fangatahana ny hanaovana mialoha ny fifidianana solombavambahoaka, hoy Atoa Honoré Rakotomanana, tsy mahagaga noho izany raha nihazakazaka nihazo an’i New York mba hihaona amin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana i Andry Rajoelina, izay tompon-kevitra tamin’io.
Tsy dia naharenesam-peo tato ho ato izay ny mpanohitra, mihetsiketsika ihany ny firaisamonim-pirenena fa toa hita ho samy miandry izay ho fidonany fotsiny sisa ny rehetra, satria toa samy resy lahatra ihany fa ny fifidianana no vahaolana tokana. Ny sehatra iraisam-pirenena rahateo tonga dia hanasazy sy hanafay avy hatrany ireo izay mitsivalana amin’io fikarakarana ny fifidianana io. Izany angamba no antony mampangina ny mpanao politika sasany izay matetika be vava sy mahita ambara foana. Fa na filoha na depiote na Ben’ny tanàna no hofidiana mialoha, moa va efa tafapetraka ny fitoniana ka hilamina marina ny fifidianana sa tena samy maika fotsiny dia odiana fanina ilay hoe fitoniana aloha izay vao fifidianana e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.