Politique

Donak'afo : Be vonovorona


  • Zoma 11 Janoary 2013

Tapa-kevitra tokoa ny hiady amin’ny kolikoly manaratsy endrika ny ZP ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena, ny Général de division Ravalomanana Richard.

 Efa tapitra ny fampandrenesana sy fampitandremana, hoy izy omaly, fa dia miroso avy hatrany amin’ny fanasaziana amin’izay izao. Koa hosamborina sy hatolotra ny fitsarana avy hatrany ireo zandary rehetra tratra manao kolikoly na iza na iza, ary na inona na inona gradiny. Hahazo ny anjarany ihany koa ny mpanome kolikoly. Mahavelombolo ny fanambarana ary enga anie ka mba ho tanteraka tokoa izany, satria tena mampiteny ny moana mihitsy ireo zandary mpanotra (mpaka vola) ny taksibe sy taksibrosy ary ireo kamio mpitatitra entana, misy azy ireo avokoa ny lalam-pirenena rehetra eto Madagasikara, ka na mety na tsia ny taratasin’ny fiara sy ny mombamomba azy dia tsy maintsy mametraka kely foana aloha ny saofera.

Fa misy ihany koa ny zandary voalaza fa manao kolikoly avo lenta, na kolikoly ambony latabatra. Io, hono, no tena volabe. Dia misy ihany koa ireo zandary voalaza fa miray tendro amin’ny dahalo ka mahazo omby sy volabe, kolikoly daholo no anaran’izany. Hanenjana izany manomboka eto ny jeneraly Ravalomanana Richard momba ity ady amin’ny kolikoly ao amin’ny zandary ity, ka ho hita eo raha tena hahavita azy tokoa, ny lehilahy na hijanona ho resaka sy vonovorona fotsiny ihany ilay izy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT