Vava fotsiny no betsaka fa vao naharay fiantsoana i Andry Rajoelina dia tsy nahatan-damba fa lasa namonjy ny fivorian’ny Troika-SADC ihany.
Fampiantsoana tampoka tsy nisy nahafahana niomana anefa io, fa dia lasa ihany e Natao nipoapoaka ny seraseran’ny fiadidiana ny tetezamita, hanazavana ny dia sy hanamarinan-tena angamba. Tsy misy bado anefa eto, samy mahalala ny rehetra fa misy ny mpitari-bato vilam-bava. Henjana ny fanakianan’ny filohan’ny tetezamita ny sehatra iraisam-pirenena ny 9 janoary lasa teo, tahaka ireny hoe tsy mila fanampiana ireny mihitsy. Mazava ny resaka fa tsy hisy SADC hitalaho amin-dRakoto na Rabe izany eo, fa toromarika miendrika baiko ny fehin-kevitra mivoaka avy any ary izay no hevitry ny sehatra iraisam-pirenena, ilay resaka «ni…ni» no tian-kambara amin’izany. Hatreto aloha dia mihevitra ny mpanelanelana fa mora kokoa ny mandamina ny olana eto Madagasikara raha toa ka samy tsy kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatrehana manaraka eo Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.
Efa nilefitra i Dada fa i Zandry Kely no mbola miziriziry tsy laitra anarina. Efa tena mazava anefa ny hevitry ny sehatra iraisam-pirenena fa mihitsoka ny fanampiana raha mikiry ny ho kandida ny filohan’ny tetezamita, ary tsy hahazo fankatoavana ilay fifidianana sy izay filoha ho voafidy eo, na iza na iza, dia hitohy indray ny krizy ary hitombo isa ny Malagasy farahidiny. Dia ho hita eo indray ny fahagagana hataon-dRajoelina e ! Fa raha ny tena marina aloha dia tsy manan-tsafidy intsony izy fa raha te hanavotra an’i Madagasikara dia mila manetry tena ka sahy manambara fa tsy ho kandida.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.