Na dia eo aza ny fiomanana fatratra amin’ny fifidianana dia tsapa fa toa mandeha ila ihany izany raha toa ka tsy misy ny ezaka goavana ataon’ny rehetra amin’ny fametrahana ny tena fitoniana eto amin’ny firenena.
Afaka tanterahana foana ny fifidianana, na iza tsy faly na iza tezitra saingy tsy tokony ho adinoina fa lalana ivahana amin’ny krizy ny fifidianana fa tsy sanatria fitaovana iray hanamafisana ny krizy indray. Tsy azo ihodivirana arak’izany ny hametrahana ny fitoniana politika sy sosialy mialohan’ny datin’ny 8 mey 2013, raha tsy ahemotra ny fifidianana. Tsy vitan’ny kabary sy soratra an-taratasy anefa izany fa tsy maintsy hisy ihany ny fihaonambe, hifanatrehan’ny rehetra tava, ireo mpifandrina politika omaly sy androany ireo izay nifanenjika sy nifamalifaty, ireo nogadraina sy nampigadra.
Rehefa milamina ny mpitarika dia milamina ho azy ny vahoaka. Na ahoana na ahoana ambara, arak’izany dia tsy maintsy ho tonga eto Madagasikara ireo sesitany politika, anisan’izany i Marc Ravalomanana handray anjara mavitrika amin’io fihaonambe io. Ary raha tena vonona hanao sorona ny tenany tokoa ka mijery ny tombotsoa ambonin’ny firenena i Andry Rajoelina dia tsy tokony mitsivalana amin’izany fa mijoro ho tomppon’andraikitra sahy miatrika ny zava-drehetra. Maro no mihevitra mantsy fa tena tsy hilamina tokoa ny fifidianana eto raha tsy tonga i Dada, tsy hoe ho kandida izy fa marika iray lehibe sy antoka amin’ny fametrahana ny fitoniana ny famelana azy hiditra sy hiaina an-kalalahana eto. Ireo mpomba azy dia efa nilaza fa tsy hanaiky mora foana raha sakanana ny fodian’i Marc Ravalomanana ka asakasak’izay mbola sahy milalao afo ihany io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.