Politique

Donak'afo : Ampiharo hatramin’ny farany


  • Talata 08 Janoary 2013

Manomboka indray ny hetsika fanadiovana ny tanŕna ataon’ny Kaominina eto Antananarivo Renivohitra. Tsy hisy intsony izany manomboka izao ny lasopy sy ny masikita ary kiendiendy isan-karazany etsy Mahamasina manoloana ny Bazar du Quartier sy ny Ecole Normale.

 Izany no natao moa dia mba hanadiovana ny tanàna sy hanome endrika azy. Hitohy foana ny hetsika, araka ny nambaran’ny CUA satria tsy maintsy atao tanàna madio sy maha te honina ity renivohitr’i Madagasikara ity ary, mba tena ho mendrika ny sata manokana ananany. Tsara ilay fanapahan-kevitra, fa ny andrasana dia ny mety ho tohiny sy ny fepetra noraisina momba ireo olona nivarotra teo izay efa nanao ho antom-pivelomana ilay asa, saingy lasa tsy an’asa tampoka eo. Moa va efa manana paikady ho amin’izany ny Kaomina ? Sa mandroaka fotsiny aloha dia raikitra indray ny ankifanenjika tahaka ny fahita eny Behoririka sy Soarano, dia tsy mety tapitra mihitsy ? Ny olana eto amintsika hatramin’izay dia io resaka fampiharana ny lalàna io, efa andrasana mitatra be ilay varotra amoron-dalana sy mandehandeha, tsy manara-dalàna vao ampiharina ny lalàna.

Tsy mahagaga raha misy gidragidra foana, ary rehefa tena tapa-kevitra ny hampanaja ny lalàna koa dia atao mandrakizay ilay izy fa tsy taitaitra tampoka dia mihenjana, avy eo miverina ihany ny gaboraraka. Hentitra ery ny fanakanana ireo mpitondra moto tsy nanao aro loha na «casque» roa volana lasa izay, ankehitriny anefa dia efa maro be sahady indray no tsy mpitondra moto tsy manao aro loha mivezivezy eto an-drenivohitra sy ny manodidina, eny fa hatramin’ny mpitandro ny filaminana aza mitondra moto tsy manao aroloha. Fa nankaiza ary ireo polisy mpanara-maso e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT