Hanamarika ity herinandro ity ny lanonam-pifampiarahabana eny amin’ny lapam-panjakana Mavoloha, ny 9 janoary ho avy izao.
Fomba nentin’ny Amiraly Ratsiraka teto tamin’ny Repoblika faharoa ary notohizan’ireo filoha nifamdimby io. Ho an’i Andry Rajoelina manokana dia efa in’efatra (2010-2011-2012-2013) izy izao no niatrika ity lanonana ity. Ny misongadina dia miha ratsy ho azy sy ny fitondrany foana ny taona vaovao migadona. Asa indray izay hitranga amin’ity. Maro no mihevitra fa hafampana ny kabary ifamaliana eny an-dapa eny amin’io alarobia io, satria mety tsy hitsitsy fitenenana avokoa ireo filohana andrim-panjakana telo dia ny praiminisitra, ny filohan’ny Kongresy ary ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Ity farany no mety halefadefaka kely raha oharina amin’iretsy roa voalohany.
Azo antoka anefa fa tsy hanao kabary misolelaka sy manindraindra ny filohan’ny tetezamita intsony izy, noho ny antony maro samihafa. Andrasan’ny maro fatratra amin’io fotoan-dehibe io ihany koa izay tena hevitr’i Andry Rajoelina, na ho kandida ihany izy na tsia. Heverina mantsy fa io no fotoana mety indrindra hanambarany izany, ka mba hifarana amin’izay ny an-kiafina sy ny ankamantatra fa mba mijoro ho tena lehilahy tompon’andraikitra, sahy milaza ny fanapahan-keviny e ! Sarimihetsika tsy nandoavam-bola fa hita sy re mivantana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana ny fifamaliana, gidragidra ary fifandirana teny amin’ny CST, ka asa indray izay hitranga eny Iavoloha. Amin’ny alarobia mifankahita e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.