Politique

Donak'afo : Ady saritaka


  • Alarobia 30 Janoary 2013

Mivory miaraka amin’ireo mpanao sonia ny tondrozotra any Ivato ny praiminisitra Beriziky ary mifanaraka fa toy ireo andiany samihafa ao amin’ny tondrozotra dia ampiharina ny andininy faha-16 sy faha-17 hisian’ny fitoniana.

 Eny Iavoloha indray anefa ny minisitry ny serasera, taorian’ny lanonana fifampiarahaban’ny andrimpanjakana noho ny asaramanitra dia milaza fa raha mbola izy no minisitry ny serasera dia tsy hisy radio nakatona ka hisokatra izany eo, fa tsy ara-dalàna ireo. Kandidan’ny PSDUM ny tenako ary nahazo tsodranon’ny UDR-C hoy indray i Lahiniriko Jean ny sabotsy 26 janoary teo. Tsy niandry ela anefa ny valin-kafatra manohitra izany.

Ary vao omaly aza i Reboza Julien, izay Sekretera nasionalin’ny antoko tarihin’i Lahiniriko, no mitsipaka io filazan’i Lahiniriko io. Ity farany izay tratry ny angaredona tanteraka taorian’ny fanambarany. Eo anivon’ny TGV indray dia azo antoka koa fa dia ho ady saritaka matoa tsy mbola mahavita mandroso izay ho kandidany ity antokon’i Andry Rajoelina ity. Inona moa izany no dikan’izany, fa tsy hoe mitohy ny fifanonganana anatiny. Iza marina no mamboly korontana eto e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT