Politique

Dokan'afo : Tsy afa-bela ?


  • Alarobia 19 Desambra 2012

Miteraka resabe ny dian’i Andry Rajoelina any Frantsa syny nampihemorana ny fahatongavan’ny iraky ny SADC eto.

 Tsy fifanandrifian-javatra ireo fa tahaka ny zavatra mifampiankina mihitsy, raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy. Tena mametraka ny dian-tanany amin’ny fiainan’i Madagasikara i Lafrantsa ary tsy hanaiky lembenana amin’ny tombotsoa azony eto. Etsy ankilan’izay dia tsy mbola misy daty mazava ny amin’ny mety ho fodian’ny filoha teo aloha.

Ny siosion-dresaka re aza, dia toa milaza indray fa tsy maintsy mamerina ny pasipaorony any amin’ny manampahefana Afrikana tatsimo Atoa Marc Ravalomanana, 72 ora aorian’ny nahatongavany any an-toerana rehefa avy nanatrika ny fihaonana na fanasan’ny SADC izy, toy ny tany Dar es Salam Tanzania farany teo. Dia tsaroana eto ilay taratasy tsiambaratelon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Frantsay, manavoitra ny tetika rehetra hanapotehana an’ity filoha teo aloha ity. Ka tafiditra ao anatin’izany ny fampiasan’ny Frantsay ireo olony ao anatin’ny fitsarana afrika tatsimo sy any Afrika. Dia sanatria ve izany tsy ho afa-bela amin’i Lafrantsa mihitsy isika e ? Ary moa va tena manaiky ho andevozina amin’ny fomba moderina tahaka izany ny Malagasy. Ry Andry Rajoelina sy ireo mpanao politika sasany koa moa tahaka ny mivavaka amin’i Lafrantsa Renimalala mihitsy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT