Politique

Distrika Manakara Tsy hametra-pialana ireo Ben’ny tanŕna


  • Alatsinainy 27 Septambra 2010

Manao tohivakana ny fanambarana avy amin’ny lafivalon’ny Nosy manoloana ny fikasana hanolo PDS ireo Ben’ny tanŕna, araka ny tinapaky ny mpizaikan’ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’olom-pirenena teny Ivato ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra 2010 na fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ny hanaovana fifidianana mialoha ny fotoana.

Taorian’ny teto Analamanga, tany Antsohihy dia fantatra fa nifamory ireo Ben’ny tanàna tao anatin’ny Distrika Manakara, Faritra Vatovavy Fitovinany ary nanao fanambarana iraisana izy ireo ny faran’ny herinandro teo fa tsy hisy hametra-pialana izany, na dia hisy hirotsaka hofidiana aza amin’izay fifidianana ho avy eo. Ben’ny tanàna miisa 43 amin’ny 45 ao anatin’ny Distrika no nanao io fanambarana io.

Ny iray tsy tonga ny iray hafa moa PDS-n’i Manakara. Hentitra ireto mera ireto niteny fa tsy problemana Ben’ny tanàna no nisy teto fa fanonganana filoham-pirenena koa heverin’izy ireo fa tsy hamaha olana velively ny fandrosoana fifidianana Ben’ny tanàna mialoha ny fifidianana filoham-pirenena. Ho azy ireo dia filam-boatsiary ny fikasana hanoloana PDS ny Ben’ny tanàna ary hanakorontana fiarahamonina indray. Tsy navela hovakiana tao amin’ny radiom-panjakana tao Manakara ny fanambarana nataon’ireto Ben’ny tanàna ireto.
Fantatra fa amin’ity anio ity koa no hivory ireo Ben’ny tanàna ao Vakinankaratra. Hisy ny fanambarana hiarahan’izy ireo aorian’izany.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT