Tafatsangana ny alatsinainy 20 janoary teo, tao amin’ny Lycée Soa tao an-toerana ny DISTIM vaovao ao amin’ny distrikan’i Sakaraha Faritra Atsimo Andrefana.
Nanatrika ny fananganana rafitra TIM ny mpikambana DISTIM Toliara I, Atoa Sazalahy Tsianihy. Nambarany fa toy ny tany amin’ireo distrika hafa tany Atsimo Andrefana, dia ho fikatsahana ny fandriampahalemana antoky ny fampandrosoana any amin’iny Faritra Atsimo Andrefana iny no antony nanavaozana ny DISTIM any amin’ity distrika ity sy ho fampandaniana amin’ny fomba ara-dalàna ny filohan’ny antoko, Marc Ravalomanana, amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ho avy amin’ny taona 2018. Ratsimandresy no lany ho filohan’ny DISTIM Sakaraha. Anio alarobia 1 martsa 2017 no hananganana ny COMTIM any Ankilimaliniky sy Ankililaoka Toliara 2.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.