Politique

Distim Boriborintany I Mikarakara hatrany ny tanora


  • Alatsinainy 19 Septambra 2016

Tsy mitsahatra mikarakara tanora eny amin’ny Faritra iva mba tsy hironan’izy ireo amin’ny zavatra tsy mahasoa, araka ny toromarika nomen’i Dada Ravalomanana filohan’ny antoko

, ny Distim eny amin’ny Boriborintany I tarihan’ny filohany Rakotomamonjy Philippe. Atao tsy tapaka ny hetsika, hoy ity mpanao politika ity, mba ahafahana  manampy an’ireo mpitaiza sy ireo ray aman-drenin’ireo  tanora ireo mikolokolo ny toe-tsaina tsara tokony hananan’izy ireo.  Nidina teny amin’ny kianja Ramanandraibe Joseph etsy Antohomadinika III G Hangar ary Rakotomamonjy Philippe sy ireo mpanara-dia azy omaly alahady 18 septambra nanotrona ny famaranana baolina kitra “Foot  à 7”, “Tournoi 26 juin” nokarakarain’ny mpikarakara tanora ao amin’ny III G Hangar izay notontosaina teny an-toerana ka nifanatrehan’ny ekipan’ny  Fc Zandrikely sy ny Fc Mailaka samy avy ao amin’ity fokontany ity. Ity farany no nibata ny fandresena tamin’ny isa 1-0 ka nandroaka ny omby natao amboara niaraka tamin’ny baolina filalaovana iray sy amboara kalisy iray ihany koa. Ondry sy baolina filalaovana iray kosa no natolotra ny ekipa faha-2 dia ny Fc Zandrikely.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT