Politique

Diso fanantenana ny FAT Tsy tonga i Abdou Diouf


  • Alarobia 03 Novambra 2010


Tsy tonga nanatrika ny fivoriambe faha-36-n’ny CPCCAF (Conférence Permanente des Chambres Consulaires Africaines et Francophones) eny amin’ny CCI Ivato ny sekretera jeneralin’ny OIF Atoa Abdou Diouf na dia efa nanomboka niparitaka ihany aza ny vaovao fa ho avy eto izy, ary nisy tamin’ireo olona ambony ao amin’ny FAT mihitsy no efa nilokaloka tamin’iny herinandro lasa iny fa ho avy eto Antananarivo ity filoha Senegaley teo aloha ity, izay voafidy fanintelony indray hitantana ny OIF nandritra ny fivoriana notanterahana farany teo tany Montreux Soisa.

Diso fanantenana indray izany ireo mpanofinofy ao amin’ny fitondrana tetezamita fa ho avy tsimoramora ny fankatoavana iraisam-pirenena rehefa mampiantrano fivoriana iraisam-pirenena isika no sady nahatsangana parlemantan’ny tetezamita. Mbola manaporofo koa ity tranga ity fa tsy tia mifampikasokasoka amin’ny mpanongam-panjakana ny sehatra iraisam-pirenena, ka solontena fotsiny no alefa hanatrika ny fivoriana fa tsy ho avy eto mihitsy ireo tompon’andraikitra voalohany na tompon’andraikitra ambony amin’ireny fikambanana iraisam-pirenena goavana ireny.

Mitovitovy amin’ny fihetsik’ireo masoivoho sy solontena maharitra eto amintsika ihany izany fihetsika izany. Raha tapitra ohatra ny fotoam-piasan’ny masoivoho Amerikanina sy ny solontenan’ny FMI teto amintsika dia tsy nisy nisolo toerana azy ireo avy hatrany fa dia ny mpiandraiki-draharaha no misahana vonjimaika ny fampandehanan-draharaha. Fa tetsy ankilan’izay kosa raha nikabary teny amin’ny CCI Ivato omaly maraina ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina dia mbola niantso ihany ny sehatra iraisam-pirenena mba hijery ny zava-misy marina eto amintsika sy handinika ny nambarany fa fitakiana ny fanovana nataon’ny vahoaka Malagasy tamin’ny 2009. Mety ho antso any an-tany efitra ihany anefa raha ny fiheverana izany kabary izany satria mazava ny resaka hatramin’izay ka hatramin’izao fa dia tsy mifampiraharaha amin’ny mpanakorontana sy ny mpanongam-panjakana ny sehatra iraisam-pirenena ary tsy midika mihitsy ho fankatoavana ny fampiantranoana fivoriana.

Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT