Politique

Diplaomaty hiasa any Italia Mihitsoka eto fa tsy nahazo “visa”


  • Alatsinainy 19 Jolay 2010


Tokony hihazo an’i Italia amin’ity faran’ny volana jolay 2010 ity io diplaomaty io saingy mihitsoka eto noho ny resaka “visa”. Araka ny fantatra dia hentitra ny Italiana nilaza fa raha tsy mbola mahazo fankatoavana iraisam-pirenena ny governemanta sy ny fanjakana mijoro eto Madagasikara dia tsy hanome io «visa» io izy ireo, indrindra fa diplaomaty no halefa any aminy. Toeran’ny Sekretera voalohany amin’ny masoivoho malagasy any Italia ity nanendrena olona ity. Manamboninahitra miaramila no nanankinana io andraikitra io. Teo am-piandohana dia ny jeneraly Rakotonandrasana Noël, ministry ny fiaroavam-pirenena teo aloha no tokony ho nandray io toerana io. Niova izany taty aoriana, ary raha tsy misy ny fiovana dia ny lietnà kolonely Charles Andrianasoavina indray no notendrena. Izy anefa tafiditra anatin’ny lisitr’ireo olona miisa 109 nosazian’ny filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina ny 19 martsa 2010.

Ny Vondrona Eoropeanina ihany koa teo andaniny nanidy varavarana amin’ny FAT ary tapaka ny dinika, sazy manan-kery mandritra ny 12 volana io. Mpikambana ao amin’ny Vondrona Eoropeanina ny Italianina ary mazava fa dia fampiharana io fanapahana io ihany no nataony, fa tsy toy ny an-dry zareo Frantsay, izay samy mpikambana ao ihany saingy minia mandika tsotra izao ny fepetra nataon’ny Vondrona Eoropeanina. Vao farany teo izao dia afaka nandeha tany Frantsa ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika, ny jeneraly Ndriarijaona André nanatrika ny matson’ny miaramila zanatany tamin’ny fetim-pirenena frantsay ny 14 jolay teo, na dia naman’ireo 109 voazasy koa aza ny tenany.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT