Politique

Diniky ny samy Malagasy Atao eto Antananarivo ilay fihaonana antampony


  • Alarobia 02 Janoary 2013

Velona indray ilay fikasana hanatontosa ny fihaonana antampony mivelatra taorian’ny fanambaran’ny FFKM ny fandraisany anjara amin’ny fanelanelanana ny krizy.

 Mihetsiketsika indray ny komity mpanomana izany izay milaza fa tokony ho amin’ny volana janoary io no hanatontosana ilay fihaonana na dia tsy mbola nametra daty aza ry zareo. Eto Antananarivo no heverin’izy ireo fa hanaovana ilay dinika ka anisan’ny mandray anjara amin’izany ireo sesitany politika dia Ratsiraka Didier sy Ravalomanana Marc. Tsy atao raharahan’ny mpanao politika samirery anefa izany fa antsoina hiara-midinika koa fiarahamonim-pirenena sy ny foloalindahy, hoy i Andrianirina Max Fabien, filohan’ny FMM (Force Médiane Mixte). “Ny rehetra no miara-misalahy ka ilaina ny fifamelana alohan’ny dinika» raha ny heviny. Na dia mbola any ankibon’ny omby aza ilay tetikasa dia efa miantso sahady ny hanajan’ny tsirairay fa indrindra ny mpanao politika izay hevitra tinapaka amin’io fihaonana antampony io ny komity mpanomana.

 Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT