Politique

Diniky ny efa-tonta Hitsefotra alohan’ny fotoana?


  • Zoma 23 Aprily 2010

Ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina no nangataka ny hisian’ny fihaonana any Afrika Atsimo, araka ny tsiliantsofina re. Taratasy in-telo miantaona no nalefany tany amin’ny filoha Afrikana Tatsimo Jacob Zuma ho amin’ny fanatanterahana izany.

Ny 31 martsa lasa teo no nahatongavan’ny taratasy fahatelo farany tany Afrika Atsimo, ary ny sekreteram-panjakana frantsay miadidy ny fiaraha-miasa sy ny frankôfônia Alain Joyandet, araka ny resaka mandeha no nampitondrain’i Andry Rajoelina izany. Mazava izany izao fa noho izay antony izay no nahatonga ity manampahefana frantsay ity, nandalo teto Antananarivo dia nihazo an’i Johannesburg farany teo. Mialoha izay moa dia ny masoivoho Frantsay monina sy miasa eto amintsika, Jean Marc Châtaigner no nitondra ny taratasy tany Paris, ary ny tany indray, avy eo no nandefa izany tatsy Afrika Atsimo. Midika izany rehetra izany fa efa mahatsapa tena ny filohan’ny HAT fa tsy hisy ny vahaolana raha tsy mihaona sy miady hevitra ary mifanaraka ny ankolafy efatra ; ary na dia fihaonana iarahan’ny efa-tonta sy ny mpanelanelana aza no hitranga any, dia mety hisy ihany ny fihaonana mitokana eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao koa anefa dia karazana tetik’ady politika ihany koa izao, hanerena an-kolaka an’i Marc Ravalomanana hanaiky izay sori-dalana efa nomanina tany ambadimbadika tany. Mety hilaza indray mantsy izao ny ankolafy Rajoelina hoe : «izahay efa nanetry tena ka nanatona sy nanaiky ny hihaona amin’ny filoha teo aloha, ka tsy afaka ny mbola handefitra mihoatra izay intsony… », dia mety hiverina indray ny fidongian-tseza tahaka ny efa nataon’ity ankolafy ity hatrany am-piandohan’ny fifampiraharahana.

Omaly, raha mody nitsoriaka nizaha ny asa fanamboarana ny Lapan’ny tanàna teo amin’ny 13 Mey, mba hitenenana fa raha tsy mazava izay ho soniavina any dia tsy hiazo an’i Afrika Atsimo, izay nampian’i Andry Rajoelina fa «tsy mbola hifandresy lahatra indray fa sonia sisa no tokony haleha any». Ahiana hitsefotra alohan’ny fotoana ny fihaonana. Matoa anefa mitaky ny fihaonana ny filohan’ny HAT dia mety misy tetika efa maty paika ahazoany tombony ao, nandà fatratra mantsy izy hatramin’izay ny hifampiraharaha amin’ny ankolafy telo hafa, indrindra fa ny hihaona amin’ny filoha teo aloha, izao anefa dia izy mihitsy, araka ny tsiliantsofina re no mitaky izany fihaonana izany. Farany azo eritreretina fa fanavotana an’i Andry Rajoelina amin’ny ziogan’ireo dinôzôro politika manodidina azy izao fihaonana izao, ka ahafahany manilika tsimoramora an’ireo.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT