Politique

Dinika Santatra «Tsy hahavaha ny olana mianjady amin’ny firenena», hoy ny GTT


  • Alatsinainy 26 Jolay 2010


«Mamerina ny fitakiana ny famotsorana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika. Manamafy ihany koa fa tsy manankery ireo didy sy lalàna navoakan’ny FAT mpanongam-panjakàna hatramin’ny martsa 2009 no ho mankaty, ary mitaky koa ny fanafoanana azy ireo. Mitaky ny fiverenan’ny Filoha voafidy Marc Ravalomanana an-tanindrazana, ary ny fametrahana ny antoka rehetra mikasika ny ainy». Io no fanambarana nataon’ny GTT (Diaspora-Gasy Tia Tanindrazana) avy amin’ny lafivalon’i Lafrantsa sy ny manodidina raha niara-nandinika ny fivoaran’ny toe-draharaha eto an-tanindrazana nandritra ny fivoriana nataon’izy ireo tao Toulouse ny sabotsy sy alahady 24 sy 25 jolay 2010. Tamin’ny fanambarana nataony ihany koa no nilazan’izy ireo fa mahatsapa sy mankasitraka ny ezaka ataon’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena, toy ny SADC, U.A, U.E, ONU… amin’ny fitadiavana alaolana mba hisian’ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Na izany aza dia manamarika ny GTT fa «amin’izao fotoana izao dia ezahin’ny fitondrana tsy ara-dalàna, FAT, ny hanatanteraka ilay “Dinika Santatra” tarihin’ny “Raiamandreny Mijoro”. Tsy mifandraika velively amin’ny hevitry ny fifanekena vita Sonia tany Maputo sy Addis-Abeba (consensuelle et inclusive) izany, ka tsy hahavaha ny olana mianjady amin’ny firenena». Nanamafy ny GTT amin’izao fandalovan’i Joaquim Chissano izao, fa «ny vahaolana naroson’ny FAT hatramin’izay dia mandamoka satria tsy mamaly ny hetahetan’ny Malagasy, dia ny fiverenan’ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ny Filoha voafidy Marc Ravalomanana».

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT