Politique

Dinika santatra «Tokony hahemotra raha tena madio fo ireo mpikarakara”, hoy i Fetison


  • Alatsinainy 26 Jolay 2010

Feno ny fandaharam-potoanan’i Joaquim Chissano, lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena momba ny krizy eto Madagasikara. Nifandimby noraisiny sy nihaino ireo ankolafy politika ny tenany, toy izany koa ireo mpitarika antoko na vovonana politika toa an’i Pierrot Rajaonarivelo, Monja Roindefo.

Ny misandratrandron’ny sabotsy 24 jolay 2010 no nanomboka nandraisan’ny filoha Joachim Chissano ny delegasiona avy amin’ireo ankolafy telo. Ny ankolafy Ravalomanana notarihan’i Fetison Rakoto Andrianiriana no nihaona taminy voalohany tao amin’ny hotely Colbert Antaninarenina, nanaraka ny ankolafy Zafy Albert notarihan-dRakotovahiny Emmanuel. Nitohy omaly izany, nandraisany ny ankolafy Ratsiraka notarihan’ny Pr Ange Andrianarisoa. Tamin’ny resaka fohy nifanaovana tamin’ny mpanao gazety no nilazan’i Fetison Rakoto Andrianiriana fa : «ny hikatsaham-bahaolana amin’ny olana mahazo ny firenena no zavatra nodinihana. Noresahina koa ny hampivadiana ny ezaka efa vita teo aloha sy ny hanohizana ny asa iarahana amin’ny fiombonan’ny fiarahamonim-pirenena izay vita sonia ny zoma teo”. Mikasika ny «Dinika Santatra» dia nazava ny nambarany : «tsy handray anjara izahay satria tsy niarahan’ireo fiarahamonim-pirenena mitambatra izany». Raha tena madio fo ireo nikarakara teo aloha dia tokony hampihemotra ny daty notondroiny aloha, hoy ihany i Fetison Rakoto Andrianiriana. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT