Politique

Dinika Santatra Roso amin’ny asam-baomiera ny eto Antananarivo


  • Alakamisy 29 Jolay 2010

Na eo aza ny resabe sy ny fanakianana samihafa dia raikitra ihany ny Dinika Santatra. Notanterahina omaly tolakandro tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny lanonam-panokafana ho an’ny distrika 6 eto Antananarivo Renivohitra.

Hanomboka anio ny asam-baomiera. Lohahevitra enina, ka iray isaky ny boriborintany no hodinihina eto Antananarivo. Hiparitaka moa ireo vaomiera. Ho an’ny boriborintany voalohany dia mikasika ny ho firafitra sy ny fitantanana ny tetezamita no hodinihina izay hatao ao amin’ny CTM Ampefiloha. Ho an’ny boriborintany faharoa kosa, dia ao amin’ny EKAR Ambanidia no hivoriana ary mikasika ny fampihavanam-pirenena sy ny famotsoran-keloka ny lohahevitra. Ao amin’ny kianja mitafon’i Besarety kosa no hifamotoana ny avy amin’ny boriborintany fahatelo ka mikasika ny fampihavanam-pirenena sy ny Dina sosialy no hodinihina. Ao amin’ny «Salle d’œuvre» katolika kosa ny ao amin’ny boriborintany faha-IV ka momba ny sosialy sy ny kolontsaina ary ny toekarena no hodinihina. Mikasika indrindra ny lalàmpanorenana sy ny fanaraha-maso ny governemanta kosa no hodinihin’ny ao amin’ny boriborintany faha-5 eny amin’ny Restaurant «Le 87» Manjakaray. Ny eny amin’ny boriborintany faha-6 kosa dia ao amin’ny Restaurant «Sans As» eny Ambodihady no hatao ny fihaonana. Mikasika ny lalàm-pifidianana sy ny fifidianana ny lohahevitra. Hanomboka anio ny asam-baomiera ary ny sabotsy hariva ny lanonam-pamaranana. Fanehoan-kevitra moa no hatao mandritra ity Dinika Santatra ity, ka tsy hisy fehin-kevitra, fa hatolotra kosa any amin’ny fikaonandoham-pirenena ny hevitra rehetra mivopaka eto.

Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT