Nanazava omaly ny pastera Nestor Razafindramanintra, avy amin’ny Vondron’olompirenena ary anisan’ireo tompon’andraikitra mikarakara ny fihaonambem-pirenena fa mahatratra 4600 ny mpizaika eny Ivato araka ny fanisana farany natao omaly maraina.
Na dia eo aza ny savorovoro sy ny korontana, dia efa niezaka nandamina ny zava-drehetra ny mpikarakara, na ny eny amin’ny asam-baomiera izany, na ny amin’ny resaka sakafo. Nanamafy anefa ny pastera Nestor Razafindramanintra, fa misedra olana ihany ry zareo amin’ny fanontana ireo antontan-kevitra noho ny fitomboan’ny mpandray anjara. Ka eo amin’izay indrindra dia maro no nahatsikaritra, indrindra fa ireo mpanao gazety fa samy hafa mihitsy ny fehin-kevitra tamin’ny tatitry ny Dinika Santatra natao tamin’ny herinandro, sy ny voasoratra ao amin’ilay antontan-kevitra zaraina amin’ny mpizaika eny Ivato. Midika izany fa nisy tamin’ireo soso-kevitra nivoaka tany amin’ny distrika no niova na nanjavona mihitsy. Fa inona no anton’izany ? Olana ara-teknika ve sa niniana natao mihitsy ? Niolakolaka moa raha nanontaniana ny momba izany ireo mpikarakara.
Ny tena mampanahy ireo mpizaika dia ny antontan-taratasy zaraina eny Ivato no iaingan’ny adihevitra rehetra. Raha sanatria izany niova ilay izy, dia niova ihany koa ny fanehoana ny tena hevitry ny vahoaka. Izao tranga izao dia toa manaporofo ny ahiahin’ny maro tamin’ny nampitarazoka ny famoahana ny tatitry ny dinika santatra, satria mety efa nisy vondron’olona, tany ambadimbadika tany nandinika ny fomba hahafahana, manova ny hevitra nivoaka tamin’io dinika santatra io. Ka io fehin-kevitra efa nasiam-panovana io no ho entina ao anatin’ny fihaonambem-pirenena, ary mazava ho azy moa fa fiovana hanome tombony ny tsangan-kevitr’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy izy io. Azo antoka fa efa nahare siosion-dresaka momba an’izany fanovana ny tena hevitry ny vahoaka izany ireo ankolafy hafa, ka izay no hanizingizinan’izy ireo fa mandringa ihany ity fihaonambe ity, ary natao fotsiny hampandaniana ny hevitry ny ankolafy tokana, dia ny ankolafy Rajoelina izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.