Manomboka mampiaka-peo amin’izao fotoana ireo nandray anjara tamin’ny Dinika Santatra satria efa, dila ny folo andro nampanatenaina hamoahan’ny mpikarakara ny fandravonana ireo hevitra nipoitra tamin’izany, saingy tsy hita izany hatramin’izao.
Amin’ireo mpizaika anefa, tsy olana mihitsy ny fampitana ny vaovao satria efa ahitana telefaonina sy fax, na dia tsy misy Internet aza ny ankamaroan’ny distrika, fa tsy voatery hoe hitondra ireo antontan-taratasy rehetra miakatra aty Antananarivo ireo iraka izay vao aravona ny hevitra. Araka ny fantatra mantsy dia mbola misy ny distrika tsy nahatonga mihitsy ny soso-kevitra tao aminy. Araka ny fanazavana voaray farany moa dia am-perinasa tanteraka ireo tomponandraikitra sy teknisianina nikarakara iny Dinika Santatra iny amin’ny fandravonana ireo soso-kevitra, ka solosaina no hanatanterahana izany. Ny avy ao amin’ny Raiamandreny Mijoro moa dia efa nanamafy fa tsy hisy ho raraka an-tany fa hodinihina avokoa ireo soso-kevitra rehetra voaray avy amin’ireo distrika 119. Na izany aza, maro ihany no miahiahy fa sao misy eritreritra hamilivily na hanova sanatria, ny zavatra nipoitra tamin’iny Dinika Santatra iny, any ambadimbadika any. Tsy vitsy amin’ireo mpanara-baovao politika ihany koa no maminavina fa atao hanampiana fotsiny izay tinapaky ny mpanao politika teny Ivato, fa tsy tena atao fototra iaingan’ny lahadinika mandritra ny fihaonambem-pirenena, voatondro fa atao amin’ny faran’ity volana ity ny zavatra nivoaka tamin’ny Dinika Santatra. Ka eo no mahatonga ny olona sasany hieritreritra hoe : dia inona marina izany no tena nilana ny Dinika Santatra sy nandanianm-bola nikarakarana azy raha toa ka sombintsombiny amin’ny soso-kevitra nivoaka tao monja no hodinihana amin’ny fihaonambem-pirenena ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.