Politique

Dinika Santatra Mi-«parlote» i Andry Rajoelina


  • Alarobia 28 Jolay 2010

Mazava mialoha ny fotoana ny tian-katongavana amin’ny Dinika Santatra na tsy manomboka akory aza. Efa nosoritsoritan’i Andry Rajoelina ankolaka nandritra ilay adihevitra tamin’ny haino amanjerim-panjakana nataony ny alahady 25 jolay avokoa ny zava-drehetra.

Mi-«parlote» no teny mahalaza azy raha ho an’ny mpahay karatra. Koa dia resaka fandanian’andro sy fandaniam-bola avokoa ny ambiny ary saribakoly nasaina hanamafy ny fanapahan-kevitry ny FAT tao anatin’izay herintaona sy tapany nitondrany izay ny mpizaika ho avy eo. “Tsy hanaiky mihitsy aho ny hisian’ny tetezamita vaovao”, hoy i Andry Rajoelina tamin’ilay fandaharana. Fiziriziriana no dikan’izany, ary fitiavan-tseza fa tsy fitadiavana tombontsoa ho an’ny Malagasy velively. Tsy mety amin’ny tetezamita ny “consensualité” sy “inclusivité”, fa ny «neutralité» no hitantana, izy rahateo efa nilaza fa tsy hilatsaka hofidina. I Andry Rajoelina ihany eto no manilika ireo tsy mitovy hevitra aminy fa mamihina ho azy samy FAT ny fitantanam-panjankana. Teboka iray singanina tamin’io fandaharana manokana io koa ny nahasahian’i Andry Rajoelina nilaza fa «tsy misy Malagasy mifamono eto”, ka tsy ilaina ny «amnistie» sy ny fampihavanam-pirenena. Hevitry ny vahoaka ve izany sa heviny samirery ? Firifiry ny olona naratra sy maty hatramin’ny 17 martsa 2009 no ho mankaty, raha tsy hiteny afa tsy ny tamin’ny 20 mey 2010, nahafatesana pastera iray sy sivily, ankoatra ny miaramila ? Ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena koa anefa toa vitavita foana ? Koa dia ho endrika ivelany handresen-dahatra ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena ity Dinika Santatra ity sy izay dinika manaraka rehetra eritreretiny hatao, ary ho saribakoly fotsiny ireo mpandray anjara.

“Fandaniam-bola io dinika santatra io, raha mbola tsy ao avokoa ny ankolafy politika rehetra
Tsy ho eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena”, hoy i Razafindrakoto Harifanja Francette, depiote TIM, voafidy tao Beroroha, tao amin’ny Magro omaly. Ny fehin-kevitra hivoaka ao dia azo antoka fa tsy hivaona amin’ireto teboka manaraka ireto : tsy hisy ny fiaraha-mitantana ny tetezamita, mijanona ho Filoha i Andry Rajoelina ary mety hijanona amin’izao endriny izao ny Governemanta. Hatao tery vay manta ny fifidianana na misy na tsy misy ny fitoniana ara-politika ary tsy hisy ny fifamelan-keloka sy ny fampihavanam-pirenena. “Tsy hitondra vahaolana amin’ny krizy io”, hoy Masimana Manantsoa, Monima, ministry ny Atitany tao amin’ny governemanta Monja Roindefo.
 
Manaporofo ny tohan-kevitra eo ambony ireo ny zava-misy hita manodidina ny Dinika Santatra amin’izao fotoana. Itsabahan’ny solontenam-panjakana any amin’ny faritra sy ny distrika ny fanomanana. Manamboninahitra miaramilan’ny Capsat koa ny ankamaroan’ireo mpitarika ny komity mikarakara manerana ny distrika, izany hoe olona zatra baiko sy mpanatanteraka ny baiko. Betsaka koa ny mitaraina fa dia lasa fitaovana haneriterena ireo Ben’ny tanàna ny solontenam-panjakana any amin’ny Faritra sy Distrika, mandrahona ireo olom-boafidy ireo fa dia “hosoloana PDS izay Ben’ny tanàna tsy mandray anjara amin’ny Dinika Santatra”.
 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT