Politique

Dinika Santatra Manomboka ny fidinan’ireo iraka any anivon’ireny distrika


  • Alarobia 21 Jolay 2010

Nifarana ny herinandro lasa teo ny fiofanana nomena ireo hisolotena ny Vondronolom-pirenena sy ny Raiamandreny Mijoro ho any amin’ireo distrika mandritra ny Dinika santatra. Ny alatsinainy teo no nanomboka nandray ny fiaingana ireto solontena ireto.

Andraikitr’izy ireto moa ny hanome ny toromarika rehetra mba hampizotra an-tsakany sy an-davany ny Dinika santatra izay hotanterahina ny 28 ka hatramin’ny 31 jolay ho avy izao. Ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena any an-toerana kosa no hikarakara tanteraka ny fikaonandoha. Andraikitry ny iraka avy aty amin’ny foibe no mamory ireo solontenan’ny Vondrona tsirairay any an-toerana hanazavana ny fomba rehetra itondrana ny dinika sy ny fanendrena olona telo avy isaky ny fikambanana izay handray anjara amin’ny Dinika santatra. Izy ihany koa no manome ny toromarika amin’ny fananganana ny birao izay ahitana mpandrindra, sekretera roa, mpitambola ary tompon’andraikitry ny serasera.

Marihina moa fa ireo ho any amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana ireo efa niainga mialoha ny fotoana ireo, fa ireo amin’ny manodidina an’Antananarivo sy amin’ny toerana tsara lalana dia eo amin’ny enina andro mialoha no tsy maintsy tonga any an-toerana avokoa.
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT