Politique

Dinika Santatra Maneho ny ahiahiny ireo mpizaika tao Toliara


  • Zoma 06 Aogositra 2010


Namory mpanao gazety tao Toliara izy ireo nanaovany tatitry ny zava-nisy nandritra ny Dinika Santatra tao an-toerana sy ny hevi-dehibe nivoitra tamin’izany. Nambaran’i Manjarimana Mahazoto, Hery Jacques, Evaharane Torimana ary i Liboire nandritra ity fihaonana ity fa ny famotsoran-keloka faobe, famoahana ireo gadra politika rehetra na sivily na miaramila, tanterahina ny fampihavanam-pirenena, ny fananganana governemanta iraisana mba tsy hisy ny olana eto amin’ny firenena ary ny fanokafana ireo radio sy televiziona nakatona no tapaka nandritra ny Dinika Santatra tao Toliara. Natao izao fampahafantarana izao, hoy ireto mpizaika ireto, satria misy olona vitsivitsy hitondra amin’ny fomba ankolaka ny hevitra tinapaky ny mpizaika tao Toliara tamin’iny Dinika Santatra iny. Nanao fanambarana an-tsoratra mihitsy moa izy ireo tamin’izany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT