Mbola ambentin-dresaky ny mpanao politika sy ny mpanara-maso ny vaovao politika ary ireo mpanara-baovao ao Toamasina, iny Dinika Santatra izay nandraisan’ireo mpandray anjara 200 mahery avy ao Toamasina I iny.
Mbola maro ny resabe manodidina azy ka samy mandrirotra amin’izay mahamety azy ny tsirairay, ary samy mandika izay heveriny fa mifanaraka amin’ny firehana sy fironana misy azy avy. Nandritra iny Dinika Santatra tao Toamasina I iny anefa, dia hita taratra ihany ny valifaty sy tsy fitiavan’olona manokana izay tena nibahan-toerana namparisarisa ny dinika ary efa saika nampisy gidragidra teo amin’ireo mpizaika sasany mihitsy. Hita taratra koa ny fanosehana olona hipoitra sy ho voalohany atsy ho atsy, ka niady mafy mihitsy ireo iraka manokana niaro azy ireny. Tao anatin’izay anefa dia nisy ireo hevitra hafahafa sy sadasada nipoitra teo am-piadiana hevitra isaky ny vaomiera. Santionany :
Fonja “zero” : Anisan’ny hevitra nivoaka izany hisian’ny tena fihavanana marina, hoy ireo gadra politika niady hevitra momba ny famotsoran-keloka. Tsy anavahana voafonja ny famotsorana atao fa aleo diovina ny fonja manontolo mba tena mifamela ny Malagasy, satria antony politika mitarika fahantrana ary tonga amin’ny asan-jiolahy no mampigadra ireo Malagasy mameno ny fonja ireo.
Fanamelohana ho faty: Na efa nanao ny sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny tsy hampiharana ny fanamelohana ho faty mbola hita ao anatin’ny lalàna famaizana Malagasy aza i Madagasikara, dia nambaran’ireo mpizaika tao Toamasina fa tena ilaina io fanamelohana ho faty io, na atao ho fampitahorana fotsiny aza fa gadra mandra-pahafaty no atao solony.
Filoha lefitra 6 : Nambaran’ireo mpizaika fa tokony hasiana ny filoha lefitra mpiara-miasa amin’ny filoham-pirenena lanim-bahoaka eo, saingy tsy ilay faharoa amin’ny fifidianana no tadiavin’i Toamasina I hapetraka amin’izany; fa misafidy olona iray isaky ny faritany mizakatena enina ny kongresy hisahana izany.
1971 hatramin’ny 2010 : Ho an’ny mpandray anjara tao Toamasina I ihany koa, dia tsy ny heloka natao tamin’ny fitondran-dRavalomanana sy Rajoelina ihany no omena famotsoran-keloka faobe, fa hitarina hatrany amin’ny taona 1971 izany. Ireo heloka ara-politika sy ara-tsosialy ary ara-toekarena rehetra ny taona 70 – 80 – 90 – 2000 dia diovina avokoa. Tony ny fon’ny Malagasy amin’izay adino ny lonilony rehetra nateraky ny krizy.
Hafa kely ny hevitra, tena fanovana goavana mihitsy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.