Politique

Dinika Santatra Handroso ny «HAPD» hasolo ny «HAT» ny AVI


  • Alakamisy 22 Jolay 2010


«Haute Autorité pour la Protection de la Démocratie (HAPD» na Fahefana Avo Hiarovana ny Demokrasia. Io indray no fantatra ankehitriny fa tokony hajoro hasolo ny HAT, araka ny tolo-kevitry ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) tarihin’i Norbert Lala Ratsirahonana. Ho an’ity farany dia io no andrim-panjakana tokony hajoro hanorenana ny Repoblika faha-4 ka ny iraka hampanaovina azy dia ny hiaro ny demokrasia eto amin’ny firenena. Araka ny fantatra dia haroson’ny AVI hodinihina mandritra ny Dinika santatra hatao eny anivon’ny distrika amin’ny herinandro ho avy io ity «HAPD» ity. Azo antoka fa dia hotsikeraina sy hokianina mafy ity tolo-kevitra ity, raha vao hoe i Norbert Lala Ratsirahonana no mandroso azy, noho ity farany anisan’ireo mpiray tendro sy mpiara-misalahy tamin’ny fanonganam-panjakana nitranga teto ny taona 2009 ary anisan’ny namolavola an’i Andry Rajoelina hiditra teo amin’ny sehatra politika, izay manana ny fiheverany izany demokrasia izany koa. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT