Politique

Dinika santatra Fanangonan-kevitra fa tsy fanapahan-kevitra


  • Talata 27 Jolay 2010

Araka ny fantatra dia tsy hisy fiantraikany firy eo amin’ny fikarakarana ny Dinika Santatra ny fijoroan’ny Coordination Nationale des Organisations de la Société Civile (CNOSC), izay fianaviamben’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny fanelanelanana ny fikaroham-bahaolana ivoahana amin’ny krizy.

Tsy misy miova intsony mantsy araka ny fanazavana voaray ny fandaharanasa sy ny tetiandro efa tapaka teo anivon’ny Coalition des Organisations de la Société Civile (COSC) momba ity Dinika santatra ity. Marihana fa fakan-kevitra fotsiny no hatao mandritra izany fa tsy hisy mihitsy ny fanapahan-kevitra na fanampiana na fanovana izay zavatra efa nisy tamin’ireo karazana dinika sy fihaonana namahana ny krizy. Eo amin’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena kosa vao miditra an-tsehatra ny CNOSC, ary mandritra izany ihany koa, aorian’ny fandinihana ireo soso-kevitra nandritra ny Dinika Santatra no hamoahana ny ventin-kevitra izay hitondrana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.

Mandritra ny fikaonandoham-pirenena izany vao tena hisy ny fanapahan-kevitra ny amin’ny lalan-kizoran’ny firenena, tahaka ny hoe : mikasika ny lalàmpanorenana aroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny resaka famotsoran-keloka faobe sy ny fampihavanam-pirenena, ary mikasika ny lalàna mifehy ny fifidianana sy izay mety ho fandaminana atao amin’ireo antoko politika. Taorian’ny nifanarahan’ny fiarahamonim-pirenena ny amin’ny hampivondronana ny heriny sy ny fahatongavan’i Joaquim Chissano ary ireo fihaonana tetsy sy teroa maro be moa, dia efa manomboka hita soritra ihany amin’izao fotoana fa miroso tsimoramora ny famahana ny krizy ataon’ny samy Malagasy ary na dia mbola misy ihany aza ny fisalasalana dia azo eritreretina fa handray anjara amin’ny dinika santatra sy ny fikaonandoham-pirenena ireo ankolafy politika rehetra. Raha araka ny fanehoan-kevitra nataon’ireo mpanao politika ny faran’ny herinandro teo anefa, dia miankina amin’ny zavatra ataon’ny fikambanamben’ny fiarahamonim-pirenena sy ny fomba fiasany no hahatanteraka na tsia, izany Dinika Santatra handraisan’ny ankolafy politika rehetra anjara izany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT