Politique

Dinika Santatra - Asam-baomiera Famotsoran-keloka sy fampihavanam-pirenena no ifanotofan’ny mpizaika


  • Zoma 30 Jolay 2010

Seza banga, olona tsy nanoina ny antso ary diavolan-kakafotra ! Izay raha fintinina ny fanombohan’ny Dinika Santatra ho an’i Toamasina I natao tao amin’ny kianja mitafo Soavita sy ny tao Toamasina II notontosaina tao amin’ny Lapan’ny faritra Atsinanana Mangarano II.

201 ireo solontenam-bahoaka (?) tonga niatrika izany tao Soavita. Tahaka ny mahazatra dia ireo zatra seza fiandrianana sy efa hita tamin’ireo dinika teo aloha ihany, no miady hevitra ary ny teo aloha ihany no miverimberina. 100 teo ho eo kosa ho an’i Toamasina II, ireo tsy nahazo laka ny tao an-drenivohitra kosa no nameno isa ho azy ireo. Raha tsorina dia ireo talem-paritra, sy ireo vondrona ary fikambanana efa mahazatra ihany no tonga, fa ireo ankolafy sy antoko politika goavana sy matanjaka samy tsy nisy tonga nanohina ny antso sy nanolotra hevitra tamin’ity Dinika Santatra mandritra ny roa andro sy tapany ity.

Lohahevitra dimy no nifampizarana vaomiera ho an’i Toamasina I. Ny fampihavanam-pirenena sy famotsoran-keloka no betsaka mpizaika indrindra, ka ny MDM-Arema ankilany-MTS, no tena nameno ny sehatra ka niisa 57 izy ireo niady hevitra tao. Nanaraka izay ny lalàmpanorenana izay nahitana mpanolotra hevitra 55. Avy eo ny resaka sosialy sy koltoraly nisy olona 44. Ny Tgv sy ny Mts ary ireo fikambanana mpiara-dia niisa 31 kosa tao amin’ny vaomiera fandaminana ny tetezamita ary ny tsy misy olona nefa miantoka ny filaminam-pifidianana rehetra dia ny lalam-pifidianana izay tsy nahita afa tsy olona 15 monja.
 
Mpikarakara ity Dinika Santatra ao Toamasina ity, ireo biraon’ny Raiamandreny Mijoro natsangana ny talata fiafaran’ny tolakandro teo ary ahitana olona 10. Mitarika azy Ramerison Auguste (Leader-Fanilo), mpandrindra kosa i Zafitsara Maria (AFAVE) ny avy ao Toamasina, Paul Arsène (Arema) sy Jean Félicien (Arema) iraka manokana avy aty Antananarivo ary Maso José Michel (MTS) no mpampakatenin’ny Dinika Santatra.
Ankoatra izay, ny Evekan’ny fiangonana Anglikanina ihany no mpikambana eo anivon’ny FFKM Toamasina tonga tao amin’ny kianja mitafo Soavita. Ireo olon’ny antoko tonga niatrika ity Dinika Santatra ity ihany koa, betsaka ny miaro tena avy hatrany fa amin’ny anaran’ny tenany amin’ny maha olom-pirenena azy fotsiny no nahatongavany, fa tsy mpitondra tenin’ny antoko niaviany akory. Dinika santatra tokoa izy ity, fa mety mbola ho avy angamba ny ... manetsabe.
 
Jean D.
 
Encadré
 
Saika ny vaomieran’ny famotsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena no ifanotofan’ny mpizaika mandray amin’ny Dinika Santatra. Ary ny olon’ny Arema teo aloha sy ny MDM ny ankamaroan’izy ireo, raha ny tatitra re manerana ny Nosy. Mazava ny anton’io, satria dia mahakasika ny lehiben’izy ireo izany. I Andry Rajoelina anefa tamin’ilay fandaharana manokana tamin’ny haino amanjerim-panjakana nilaza fa tsy misy Malagasy miady eto ka hilana fampihavanam-pirenena na koa «amnistie».

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT