Vita sonia tany Antsiranana omaly 27 aprily ny fifanarahana mahakasika famatsiam-bola miisa 4 avy amin'ny Vondrona Eoropeanina, taorian’ny dinika politika niarahan’izy ireo tamin’ny governemanta Malagasy.
Ny voalohany dia famatsiana mitentina 50 tapitrisa euros, natokana hanohanana fandaharan’asa ara-pambolena sy ny tetikasa antsoina hoe AFAFI-NORD 5 (Appui au Financement de l’Agriculture et aux Filières Inclusives dans le Nord de Madagascar) ; 40 tapitrisa Euros ho an’ny fanatanterahana ny tetikasa RINDRA (Renforcement Institutionnel vers le Développement de la Résilience Agricole) ; 30 tapitrisa Euros natokana ho tosika ara-bola ho an’ny taona 2017 ; 2 tapitrisa euros kosa ho amin’ny fanamorana ny fiaraha-miombon’antoka ara-teknika. Manome 122 tapitrisa Euros ireo famatsiam-bola vita sonia, izay tafiditra ao anatin’ny Famatsiam-bolan’ny Eoropeanina momba ny fampandrosoana na FED andiany faha-11, izay tokony ho 518 tapitrisa Euros no homena an’i Madagasikara. Nilaza ihany koa ny Filoha fa hamboarina tsy ho ela ny làlam-pirenena mampifandray an’Ambanja sy Antsiranana. Azo aloha izany ny ampahany tamin’ny famatsiam-bola tamin’ny alalan’ny FED andiany faha-11, saingy mbola fanontaniana mipetraka kosa ny hoe manao ahoana ny famahana ny olana ara-tsosialin’ny vahoaka amin’ny ankapobeny ? Fomban’ny fanjakana HVM ny mirehareha fatratra rehefa misy ny vola azo tahaka izao, saingy ny hita hatramin’izay aloha dia ny resaka sy ny fireharehana ny lasa aloha, fa izay asa mivaingana ho an’ny vahoaka, indrindra fa ny lafiny sosialy tsy hita izay tena vahaolana azo tasapain-tanana. Any anaty asa mivaingana sy misy fiantraikany mivantana aminy no ilain’ny vahoaka ankehitriny, toy ny fidinan’ny vidim-bary izay efa tafakatra 2.400 Ariary ny kilao, fampidinana ny vidin-jiro …
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.