Ny 27 mey teo no tokony ho nanomboka ilay dinika nasionaly na “dialogue national” nambaran’i Andry Rajoelina tamin’ny kabariny ny 12 mey teo.
Nahatsapa anefa ireo fikambanana maromaro ao anatin’ny fiarahamonim-pirenena, fa izay fandraisana fanapahan-kevitra tsy ifampierana izay no mahatonga ny olana tsy hivaha eto amin’ny firenena, ka mampitarazoka ny krizy. Nifanaiky ary ireto fikambanana ireto fa handray an-tanana ny fikarakarana ity dinika saika ho nataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) ity. Efa nihaona tamin’ny Filohan’ny FAT ny lohandohany mpitarika ireto fikambanana ireto, ary nahazo ny fankatoavan’ity farany. Omaly no nihaona tamin’ny mpikambana amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ao Anosy ny solontenan’ireo fikambanana ireo nahitana an’Atoa isany Velompanahy Arstide, Rasolo André, Rakotomavo José ary ny Pasitera Razafindramanitra Nestor. Nitarika ny fivoriana i Mounibou Patrick, nitondra tenin’ny fiarahamonim-pirenena kosa i Velompanahy Arstide. Nanambara ary ity farany nandritra ny dinika fa efa nisy ny dinika vita, toy ny fihaonana tamin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita namolavolana ny dinika tokony hatao, dia ny fampihavanam-pirenena, ny momba ny lalàmpanorenana sy ny sisa hafa.
Efa nihaona tamin’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa ry zareo ary nankasitraka ny ezaka ihany koa ity ankolafy ity. Ny ankolafy Didier Ratsiraka no tsy mbola nandray azy ireo ary omaly hariva ihany koa izy ireo no noraisin’ny ankolafy Zafy Albert. Anio no hanomboka ny dinika savaranonando izay hanasana olona avy amin’ny antoko politika sy fikambanana isan-tokony ary ireo olobe. Haharitra roa andro ity dinika savaranonando ity izay hanangonana ireo hevitra rehetra hoentina hodinihina amin’ny fihaonam-pirenena. Tsy fantatra mazava ary ny fotoana hanatanterahana ny dinika nasionaly, satria mbola mihevitra ny mpitarika ny fikambanana ny hitety Faritra mba hanentana ny tsirairay hitondra ny anjara birikiny.
Rabe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.