Tsy mitondra mankaiza ny fivondronan’ireo mpanohitra, hoy ny filohan’ny Dinika ho Fanavotam-pirenena (DFP), Tolojanahary Maharavo (Doudou),
tetsy amin’ny AKFM Andravoahangy omaly raha naneho ny heviny mikasika ny antony tsy nanotronany ny fikaonandohan’ireo mpanohitra teny Faravohitra. Tsy miditra amin’izany ny Force de changement miaraka amin’ny DFP fa vao mainka io miteraka fisaratsarahana, hoy izy. Tsy mitovy mantsy ny hevitra ka samy hanao izay di-dohany. Efa hita ireny tamin’ny hetsika mitsangana ry Malagasy sy ny rodobe isan-karazany. Aleo ny ny olona no hijery izay hitany ho marina aminy sy tiany arahina. Ny handrodana ny fitondrana, hoy izy, no tanjona ary dia mitsodrano ireo mpanohitra rehetra saingy aleo samy mandeha irery ihany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.