Politique

Dinika ho fanavotam-pirenena Tena ho sarotra, hoy ny DFP


  • Alarobia 28 Septambra 2016

Naneho ny heviny tetsy Antaninarenina mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny mikasika ny fanatanterahana ilay

dinika ho fanavotam-pirenena kasain’izy ireo hotanterahana miaraka amin’ny filoham-pirenena sy ny mpiara-miasa aminy ny avy eo anivon’ilay hetsika Dinika ho Fanavotam-Pirenena na DFP, omaly. Ho sarotra ny hahatongavana amin’io dinika io raha ny fihetsiky ny fitondram-panjakana ankehitriny no jerena. Olona tany Fianarantsoa nivory sy nidinika ny hanatanterahana azy io hiakatra ho aty Antananarivo aza, notafihana, hoy izy ireo. Taorian’izay dia nosamborina koa ny mpitari-tolona tany Soamahamanina. Ny harivan’iny koa dia niaraha-nahita ny zava-niseho tao amin’ny tele Viva Ambodivona miampy ny fandrarana ankitsirano nataon’ny fanjakana ny hetsika tamin’ny sabotsy.

Tsy olom-pirenena intsony

Tsy olom-pirenena intsony izany izao, hoy ireto mpitari-tolona ireto, izay rehetra sahy mijoro hiaro ny tanindrazany fa heverina ho toy dahalo. Misy olona sahy manakarama milisy eto amin’izao hiarovana ny tombontsoany. Nanao antso avo ny hetsika mba hiraisan’ny rehetra feo hiadiana amin’ny tsy maty manota sy hikarakaran’ny fitondram-panjakana ny dinika faran’izay haingana fa tsy hifampihorohoro lava izao satria samy manan-kavana daholo ary mandalo ny toerana maha mpitondra fanjakana.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT