Politique

Dinika ho Fanavotam-pirenena Niantso fiaraha-miasa amin’ny Eoropeanina


  • Alakamisy 03 Novambra 2016

Nandefa taratasy niantefa tamin’ny lehiben’ny delegasionin’ny vondrona eoropeanina eto Madagasikara Antonio Benedito Sanchez Gaspard, omaly ny avy eo anivon’ilay vondrona politika dinika ho fanavotam-pirenena na DFP.

 

 Ao anatin’ny firenena ACP (Afrique-Caraibe-Pacifique) ny firenenay, hoy izy ireo,  saingy nivaona tamin’ny fifanarahana voarakitra ao anatin’ny fifanarahan’ny “Cotonou” izay anisan’ny mametraka ho laharam-pahamehana ny fanenana ny taham-pahantrana avokoa ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny. Teboka telo voalaza tao anatin’izany ny fanitsakitsahan’ny filoham-pirenena sy ny antoko HVM ny lalàmpanorenana . Ao koa ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra, indrindra ny hosoka mpitranga rehefa fifidianana. Nomarihin’izy ireo fa nomena valin-kasasarana noho ny asa vita ny minisitry ny raharaham-bahiny ankehitriny, izay filohan’ny CENIT teo aloha.

Nangataka fanohanana

Manoloana ny zava-misy, noho izany, dia nangataka fanohanana amin’ny vondrona eoropeanina ity dinika ity mba hiara-kikarakara amin’izy ireo ny dinika an-databatra boribory kasainy atao. Tokony handray fepetra hentitra ity vondrona iraisam-pirenena ity manoloana ny fanjakana tsy tan-dalàna izay tsy mahalala afa-tsy ny fitsipika mahamety azy ireo ihany. Efa voahitsakitsaka tanteraka ny fitsipika maneran-tany momba ny zon’olombelona eto hatramin’ny foto-kevitra demokratika, hoy ny fanambarana.

Mirija    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT