Politique

Dinika ho fanavotam-pirenena “Hanongam-panjakana izahay”


  • Zoma 19 Aogositra 2016

Tsy niolakolaka, tsy nivilivily fa avy hatrany dia nilaza izay iriany ny avy eo anivon’ilay hetsika dinika ho fanavotam-pirenena,

omaly, tetsy amin’ny hotely Panorama Andrainarivo raha niteny, tamin’ny alalan’ingahy Ratolojanahary Maharavo na i Doudou, izay filohan’ny hetsika Afo Sendikaly, fa na toy ny ahoana na toy ny ahoana filazana azy, na fanovan-drafitra na fanonganam-panjakana dia mitovy daholo. Tsy mahamenatra, hoy ny tenany, ny milaza fa tsy manaiky ny fisian’izao fitondrana izao intsony izahay ary tsy maintsy hanongam-panjakana raha toa ka mbola manentsin-tadiny ny fitondrana. Raha mbola hiandry izany 2018 izany dia ho tapitra ritra eto ny harem-pirenentsika satria dia toy ny varotra mofogasy no hanaovana izany amin’ireo vahiny. Hahamenatra amin’ny tantara sy ny taranaka faramandimby izany, hoy hatrany ny tenany.

Manohana ny AFP

Miarahaba sy mankahery ny AFP amin’ny hetsika tarihin’izy ireo izahay, hoy ny tenany, ary anisan’ny ho tonga eny hanatevin-daharana. Ity dinika ho fanavotam-pirenena ity moa dia nomarihany fa tsy maintsy hiatomboka amin’ny dinika nasionaly ary handalo amin’ny dinika rezionaly ary raha mbola tsy mahafa-po mandra-pahatongan’ny fiafaran’ny volana septambra dia tsy maintsy hidina an-dalambe.Tazana teny amin’ny hotely Panorama avokoa omaly ireo mpanao politika manohitra ny fanjakana HVM sy mitaky ny fanovana toa an-dry Jean Omer Beriziky, Sylvain Rabetsaroana, Tabera Randriamanantsoa,Emile Ratefinanahary, ny solontenan’ireo sendika maro samihafa, ny mpahay toekarena tahaka an’i Faly Ramakavelo.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT