Tsy mety tonga ao amin’ny minisiteran’ny atitany tarihin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly mihitsy ny fanadihadiana mikasika ireo raharaha misaringotra amina fanodinkodinana tsenam-panjakana hatreto, hoy ry zareo avy eo anivon’ny dinika ho fanavotam-pirenena na DFP.
Tsy mbola misy hatramin’izao mpibaiko ambony voasambotra fa toa ny mpandraharaha Claudine Razaimamonjy izay toy ny mpanatanteraka ihany no fihinina ao amin’ny hopitaly ao. Tsy manaiky koa izahay, hoy ny mpandrindra nasionalin’ity vovonana ity, Tolojanahary Maharavo (Doudou) raha tsy farafaharatsiny atao mialokaloka ao amin’ny hopitaly Andravoahangy Andrianavalona koa ny minisitry ny atitany. Ny minisiteran’ny atitany no mitahiry ireo tena atidoha amin’ny kolikoly avo lenta eto satria ao daholo ireo atidoha mikotrika izany sy ireo mpanampy azy, ny mpitantana ny hetsika rehetra (GAC) ary ireo tomponandraikitry ny tsenam-panjakana (PRMP), hoy izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.