Ankoatra ny fanambarana samihafa nivoitra tamin’ny kabary nifandimbiasana sy ny fehin-kevitra ofisialy tapaka, dia nahenoana fanehoan-kevitra an-jorony betsaka ihany koa teny amin’ny Carlton Anosy ny andron’ny 13 sy 14 aogositra teo. Na avy amin’ny fandraisam-peon’ny mpanao gazety izany, na avy amin’ny feo heno teny rehetra teny fotsiny.
Abdou (Befandriana Avaratra) : «Fakafakaina ny zavatra niseho taty Antananarivo dia hampitaina any amin’ny vahoaka any aminay. Tsy misy afa tsy Rnm sy Tvm no heno any ka ny hetsika tahaka itony an’ny Ankolafy Telo itony tsy dia fandre firy any na tsy re mihitsy aza”.
Fetison Rakoto Andrianirina (Ankolafy Marc Ravalomanana) : “Tsy tokony hafangaro ny fifampitondrana eny anivon’ny antoko misy ny tena sy ny any amin’ny ankolafin-kery. Izay nandeha teny Ivato dia tamin’ny alalan’ny tenany fa tsy tamin’ny antoko TIM”.
Gabriel Rabearimanana (Antoko Monima ka Miviombio) : “Tokony ho nitarina fa tsy natokana ho an’ny Ankolafy Efatra monja ny mpidinika tany Maputo sy Addis Abeba”.
José Rakotomavo (CNOSC) : “Tena sarotra ny famahana ny olana tamin’ny fahenoana ny hoe tsy mila resaka Maputo sy Addis Abeba izany intsony ny teny amin’ny fanaovan-tsonia teny Ivato sy ny teto amin’ny Carlton nilazan’ny Ankolafy Telo fa tsy misy afa tsy ny fanatanterahana ny satan’i Maputo io ihany no vahaolana amin’izao krizy izao nefa tsy kivy izahay fa manana fanantenana tanteraka. Hevitra an-kolafy avokoa ireny fa mbola miandry fehin-kevitra hafa koa izahay avy amin’ny hevitra an-kolafy vaovao vao hiforona aoriana kely tsy ho ela”.
Manandafy Rakotoniriana (MFM) : “Tsy nilana nasiana resaka tao anaty fehin-kevitra teto amin’ny Carlton intsony ny resaka fampodiana ireo sesitany any ivelany fa efa voalaza avy hatrany ao amin’ny andininy faha-3 amin’ny satan’i Maputo”.
Mpanao politika tsotra : “Mampisaratsaraka sokajin’olona maro ity krizy eto amintsika ity : mpanao politika, mpitondra fanjakana, mpitondra fivavahana, mpiara-miasa sy mpiara-mianatra, mpanao gazety, mpiara-monina sy mpiray tanàna, fianakaviana hatramin’ny mpiray tampo sy ray aman-dreny sy zanaka …”.
Mpanao gazety am-perinasa iray : “Ny fitiavan-tena no tena fototr’ireo rehetra ireo. Misy namana tsy mahay mampisaraka ny asam-panaovan-gazety fotsiny sy ny fanaovany politika”.
Raveloson Constant (MFM) : “Nampanao fanadihadiana manokana amin’ny fidobok’izao krizy izao ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana ho amin’ny Fampandrosoana (PNUD) eto amintsika. Andrasana fatratra ny vokatr’izany”.
Roland Ratsiraka (HAT) : «Azo antoka fa tezitra amiko ireo ao amin’ny fitondrana amin’izao fankanesako aty amin’ny Carlton izao. Izaho resy lahatra fa tena ilaina ny fiaraha-mitantana io tetezamita io. Problème amiko ny hoe : maro ireo maty teto amintsika noho ny krizy, betsaka ireo very fananana, be ireo migadra. Adino tamin’ny dinika tany Maputo ireo niharam-boina ireo, tokony ho nanana Mouvance azy manokana tany izy”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.