Politique

Dinika fanonganam-panjakana Tsy nosakanan’ny Emmoreg


  • Alakamisy 20 Aprily 2017

Hentitra ny mpitarika ny Tolona Fanorenana Ifotony (TFI), Rasolofo André, ny zoma teo raha nanambara tamin’ny haino aman-jery ampahibemaso fa fitondrana mamoha henatra no misy amin’izao fotoana izao ka mila haongana “amin’ny fomba rehetra”.

Ny alarobia izao, hoy ny fanazavany, mantsy ny omaly, no handinihana ny paikady ahafahana manatanteraka izany. Tonga tokoa ary ny omaly ary dia niverina teny amin’ny Espace Dera Tsiadana niaraka tamin’ireo mpanao politika sy fikambanana politika isan-karazany nasain-dry zareo ny avy eo anivon’ity hetsika politika TFI ity ary vita soa aman-tsara tsy nisy raorao ny dinika mikaton-trano nandinihana izay azo atao hanonganana ny fanjakana misy ankehitriny. Ny nahagaga dia tsy nahitana na dia tamingana Emmoreg iray aza, toy ny mahazatra rehefa misy hetsika heverin’ny mpitondra ho manohintohina ny fiandrianam-pirenena tahaka itony. Kanefa dia hoe “amin’ny fomba rehetra” no voateny voalaza, izany hoe, na ara-pomba demokratika na tsia. Sinema ankoatr’izay efa nitranga indray ve izy ity sa mihevitra ny fitondrana fa hetsika tsy ho tafavoaka ny an’ity tolona ity ?

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT