Manoloana ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena dia miantso ny mpiasam-panjakana rehetra izahay, indrindra ny tafika, hoy ny fanambaran’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP).
Tsy ny mpiandry omby any ambanivohitra irery intsony izao no mandry an-driran’antsy fa hatramin’ny mpiasam-panjakana koa aza. Inona no andrasana amin’ny fitondrana tsy maharo ny mpiasany ? Tsy toy ny ray aman-dreny tsy maharo zanaka va izany ? Na ny fitsarana na ny zandary na ny mpiasan’ny jirama sy rehefa mety ho mpiasam-panjakana dia lasa hiharan’ny fitsaram-bahoaka avokoa ka mila mifanatona handinika izay hatao, hoy izy ireo.
Mandainga ny fitondram-panjakana
Mandainga ny fitondram-panjakana raha milaza fa ho avy amin’ny voalohandohan’ny desambra ny mpamatsy vola ary afaka manararaotra isika manolotra tetikasa ahafahana mahazo famatsiana, hoy ny filohan’ny DFP, Tolojanahary Maharavo. Inona no famatsiana antenaina kanefa ny fepetra 31 isa napetraky ny eoropeanina tamin’ny febroary 2014 tsy nisy notanterahan’ny fitondrana na iray aza ? Izany no antony nandefasanay taratasy manokana ho an’ny tafika izay efa voarain’ny lehiben’izy ireo mba hisian’ny fifanatonana mialoha ny frankofonia sitrany ahay mba voavaha ity resaka tsy fandriampahalemana ity.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.