Politique

Dinika famahana krizy Mahatsiaro atao an-jorom-bala ireo antoko madinika


  • Zoma 03 Septambra 2010

Antoko madinika sy salantsalany 40 no mivondrona ao anatina vovonana iray indray izao ka milaza fa hanambatra ny heriny sy ny fahaiza-manaony amin’ny fikarohana vahaolana hivoahana amin’ny krizy.

Nahatsapa mantsy ireto antoko ireto, izay nisy nandray anjara tamin’ireo karazana dinika politika rehetra nisy teto, fa natao an-jorom-bala izy ireo, ary tsy nohenoina tsara ny hevitra navoakany. Izany hoe saron’ireo antoko politika lehibe na efa mahazatra ny olona sy hita matetika amin’ny filazam-baovao ireto antoko madinika sy salantsalany ireto. Anisan’ny ao anatin’izany vovonana vaovao izany moa ny AFABE, izay tarihan’i Doudou Michel. Nohamafisin’ity farany ary fa tsy tokony hisy mihitsy ny fanilikilihana mandritra izao fikaroham-bahaolana izao, satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Nambarany ihany koa fa misy fomba fijery vaovao tokony hampiharina eto amintsika, fa tsy ho variana amin’ny zavatra taloha foana. Manana tanjona ny amin’ny hamerenana ny hasin’ny antoko politika eto Madagasikara ity fivondronan’antoko vaovao ity, ary hanomboka hanao serasera matanjaka amin’izay fa tsy hatoritory sy hanaiky atao anjorom-bala lava intsony.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT