Politique

Dinika any Pretoria Ireo delegasion’ny ankolafy efatra


  • Alarobia 28 Aprily 2010


Araka ny efa nambara teto dia tsy nahitana fanovana firy ny firafitr’ireo delegasion’ny ankolafy efatra, izay hanatrika ny fihaonana atsy Pretoria fa hitovy endrika tamin’ireo nitranga nandritra ny fihaonana tany Maputo ihany. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana ary dia ahitana an’i Marc Ravalomanana, Fetison Andrianirina, ny contre amiral Abel Nirina Radavidson, Manandafy Rakotonirina, Roland Ravatomanga, Mamy Rakotoarivelo, Andrianatoandro Raharinaivo, Rapelanoro Rabenja Aimé, Ihanta Randriamandrato, Vanovona Adrien, Rasomotra ary Yves Aimé Rakotoarisoa. Ny ankolafy Rajoelina kosa dia ho rafetin’i Andry Nirina Rajoelina mivady miampy an’i Maharante Jean de Dieu, ny vice amiral Hippolyte Ramaroson, lehiben’ny delegasiona, ary Lahiniriko Jean ankoatra ireo olona efa nandray anjara tamin’ny dinika teo aloha. Ny ankolafy Ratsiraka kosa dia ahitana an’i Didier Ratsiraka - Ange Andrianarisoa, Tantely Andrianarivo, Herivelona Ramanantsoa, ny jeneraly Jacques Rasolondraibe, ary Moise Rakotosihanaka. Farany ho an’ny ankolafy Zafy Albert dia ahitana an’i Zafy Albert - Emmanuel Rakotovahiny, Jean Marcel Miandrisoa, Joseph Randrianarisoa, Serge Radert ary Yves Razanamasy. Ny mampitovy ny firafitry ny delegasiona amin’ireto ankolafy ireto, ankoatry ny ankolafy Zafy Albert dia samy ahitana manamboninahitra iray avokoa. Ho an’ny ankolafy Rajoelina dia ny vice amiral Ramaroson Hippolyte, nampiditra manamboninahitra iray hiaraka aminy koa ny ankolafy Ravalomanana dia ny contre amiral Radavidson Abel Nirina, ny an’ny ankolafy Ratsiraka moa dia ny jeneraly Rasolondraibe Jean Jacques.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT