Politique

Dinika any Afrika Atsimo Ny «Teny Ifampierana» ihany ny an’ny FAT


  • Zoma 23 Aprily 2010

Hanome tolo-kevitra an’i Andry Rajoelina, Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) izay hiatrika ny fivoriana ho fikaroham-bahaolana momba ny toe-draharaha eto Madagasikara, hotanterahina any Afrika Atsimo ny 28 aprily ho avy izao ireo mpikambana FAT.

Notsiahivin’izy ireo fa araka ny nambaran’i Andry Rajoelina ny 14 aprily lasa teo, dia «tsy hisy intsony ny fampiharana ny fanapahan-kevitra tany Maputo sy ny tany Addis Abeba». Ny tapaka nandritra ny «Teny Ifampierana» teny Ivato ny 04 sy 05 martsa lasa teo, no torolalana ho an’ny tetezamita ivoahana amin’izao krizy izao. Tsy inona izany fa ny fanatanterahana ny fifidianana mangarahara ary ankatoavin’ny besinimaro. Miantso an’i Andry Rajoelina ireto mpikambana, mba tsy hanjaka eto Madagasikara intsony ny kolontsaina «tsy maty manota», ka tsipahin’izy ireo mafy ny fanomezana famotsoran-keloka ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Amin’ny FAT dia fahefan’i Andry Rajoelina tanteraka ny manendry izay ho mpikambana ao anatin’ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra izay miainga amin’ireo anarana atolotry ny hery politika isan-tokony. Ka ho azy ireo dia amin’ny maha raiamandreny ihany no hanatrehan’i Didier Ratsiraka sy Zafy Albert ity fihaonana any Afrika Atsimo ity fa tsy amin’ny maha lehiben’ny ankolafy azy ireo intsony.
Miantso ireo mpandray anjara amin’ity fihaonana ity ary ireo mpikambana amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita mba hijery ny tombontsoam-pirenena, ka ity no ho lalana marina ivoahana amin’izao krizy izao. 
 

Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT