Politique

Dila ny «ultimatum» 72 ora Nifamory maika ny olobe tao Toamasina omaly hariva


  • Alakamisy 24 Jona 2010


Momba ny raharahan’ny Kaominina ambonivohitra Toamasina dia fantatra izao fa efa eny am-pelatanan’ny Ben’ny tanàna, Dr Gervais Rakotomanana ankehitriny ny taratasy manamarina ny naharaisan’ny Conseil d’Etat ny fitoriana roa sosona, andaniny mampiato ny fampiharana ny didim-pitondrana laharana 27915/2010 navoakan’ny Ministeran’ny Atitany ny 16 jona 2010 mametraka ny delegasiona manokana hitantana ny tanànan’i Toamasina, ankilany ny fanafoanana tanteraka io didim-pitondrana io. Ny Maitre Rahantamalala Noro, no mpisolovava ny Ben’ny tanàna misahana ity raharaha ity. Ny 18 jona no voaray teo anivon’ny Conseil d’Etat ireo fitoriana ireo. Ny lojikan’izay dia tokony hiato aloha ny fampiharana ny fanendrena PDS ao Toamasina mandra-pamoakan’ny Conseil d’Etat didy mikasika ireo fitoriana roa sosona ireo.

Tsy izay anefa no miseho, koa dia nihaona tamin’ireo raiamandrenin’ny tanàna omaly ny Fiombonan’ny Jerin’ny Maro haka hevitra amin’izay hatao ka hanoherana izao heverin’izy ireo fa tsy ara-drariny atao amin’ny vahoakan’i Toamasina izao. Soso-kevitra tamin’izany ny hampijoroana ny fivondronan’ny olon-kendry na Conseil des sages ka izy ireo hatrany no ho tompon-kevitra amin’izay hatao hanoherana ny tsy fanarahan-dalàna sy tsy ara-drariny atao amin’ny vahoaka. Tao amin’ny Le Capricorne no natao ity fihaonana ity omaly hariva, taorian’ny nahataperan’ny fe-potoana 72 ora nomen’ny Fiombonan’ny Jerin’ny Maro ny FAT hanafoanan’ity farany ny fanapahan-keviny tamin’ny nanendrena PDS ao Toamasina. Nitarika ny fihaonana i Joma Ernest sy ny namany, nandray anjara tao koa i Riri Be na Rakotomalala Henri, lehiben’ny ZATOVO. Tantara mitohy ity … 

Nangonon’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT