Anisan’ireo mpanao politika naneho ny heviny mikasika ilay didim-pitsarana mikasika ny fisamborana ny loholona Lilyson ihany koa ny filohan’ny dinika fanavotam-pirenena (DFP),
Tolojanahary Maharavo na Doudou, omaly, nandritry ny fihaonambe niarahana tamin’ny antoko Marina teny Ambatomirahavavy. Tsy rariny iny didy iny satria tsy mbola naheno aho fa efa nalana ny “immunité parlementaire”n’ity loholona ity, hoy izy. Manana zo hiaro tena koa izy. Azo antoka ve, hoy izy, fa fantatr’ingahy loholona sy ny mpiaro azy fa misy iny didy iny. Aminay, ramatahora ireny ary tsy fantatra na aorian’i Lilyson dia i Doudou indray angamba no manaraka, hoy izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.