Politique

Didier Ratsiraka «Olona natao hitondra marina ve Rajoelina ?»


  • Alatsinainy 03 Mey 2010

Maro dia maro ireo fanehoan-kevitra taorian’ny fihaonana tany Pretoria. Anisan’ireo nilaza ny heviny sy ny fahitany ny fandehan’ny raharaham-pirenena ny alahady maraina teo, tao amin’ny RFI (Radio France Internationale) ny amiraly Didier Ratsiraka.

Notsipihany mazava ary fa olona tsy matotra mihitsy i Andry Rajoelina ary miovaova hevitra lava. Hoy indrindra ny amiraly Ratsiraka : «Taorian’ny fihaonanay efatra mirahalahy mianaka niaraka tamin’i Joaquim Chissano dia nifandray tanana izahay, ary samy nanaiky fa hampiharina ny hevitra tapaka tany Maputo 1 sy Maputo 2 ary ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba. Nanaiky izany i Andry Rajoelina, ary mbola nilaza koa fa hiverina any Pretoria afaka 15 andro. Nony tonga tany Antananarivo anefa izy dia nivadi-dela indray». Nanamafy izy fa masina aminy ny teny nomena ary mbola masina kokoa noho izay ny sonia natao. Izaho manokana, hoy izy dia tsy mba hiverina amin’ny zavatra efa nosoniaviko, ka ny ahy ny fantatro dia Maputo sy Addis Abeba ihany. Izao tranga izao, hoy ihany i Didier Ratsiraka dia «mahatonga ahy hametra-panontainana hoe : matotra marina ve i Andry Rajoelina, olona natao hitondra marina ve izy, eo amin’ny toerana sahaza azy marina ve izy, ananany ve ny toetra takiana amin’ny olona mitarika sy mitantana ?».

Raha nanontanian’ny mpanao gazetin’ny RFI mikasika ny tsy mbola hodiany eto Madagasikara moa ny amiraly dia nanambara fa tsy manana trano honenana izy, ary tsy mety aminy ny mipetraka amina hotely, ka izay no tsy hodiany. Novain’ireo olona niara-niasa tamin-dRavalomanana ho lakazerina ny tranoko, hoy izy. Nolazainy fa efa nampanantena i Andry Rajoelina fa hamboariny izany trano izany kanefa 14 volana aty aoriana, tsy hita akory izay asa teo. Mbola anisan’ireo fanomezan-toky paokatin-dRajoelina ihany izany amiko, hoy i Didier Ratsiraka. Mikasika ny hoe fanomezana fitondrana ny miaramila, na fiaraha-mitantana ny tetezamita eo amin’ny miaramila sy ny sivily, dia nambaran’ny amiraly fa tsy tena mbola nahazo vaovao momba an’io ny tenany, na izany aza anefa, notsiahiviny fa efa nilaza ny tokony hanaovana izany ny Profesora Zafy Albert sivy volana lasa izay, saingy nihomehezan’ny sasany fotsiny izy, ary tsy nisy niraharaha izany, indrindra fa ny tao amin’ny HAT ka nahoana moa no hanao izany indray amin’izao fotoana ?

Mikasika ny Praiminisitra dia nanamafy i “Deba” fa olona mitana ny teniny izy, ka aminy dia i Mangalaza Eugène no amin’izany toeran’ny Praiminisitra izany fa tsy i Camille Vital.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT