Nosafidian’i Didier Ratsiraka manokana hankalazana ny faha-80 taona nahaterahany ny tanànan’i Fianarantsoa ny sabotsy 5 novambra lasa teo.
Nifampitaona tamin’ireo kamarady Arema ny tenany ka ankoatra ny fihaonana sy ny tafatafa dia nisy ny karazana karnavaly namakivaky ny tanàna. Niresaka tamin’ny mpanao gazety ny amiraly ka nandritra izany no nanaovany antso avo ho an’ireo dahalo manerana an’i Madagasikara mba hampitsahatra ny halatra omby sy ny asa ratsy. Mety mahazo 100 000 Ariary (500 000fmg) ianareo fa ny mpaniraka anareo mahazo 500 tapitrisa Ariary (1 milliard fmg), hoy izy ka aoka izay fa aza mamono tena ary aza mamono havana fa mahita asa tsaratsara kokoa ho anareo izahay. Tsy olona nilatsaka avy any an-danitra fa olona eo an-tanàna ihany ny dahalo, hoy i Didier Ratsiraka. Mifandray amin’izay dia nohamafisiny fa tsy ampy fitaovana ny mpitandro ny filaminana eto Madagasikara. Tokony hatao izay hahazoan’izy ireo fitaovana mifanaraka amin’ny vanim-potoana ary mifanaraka ihany koa amin’ny asa aman’andraikitra sahaniny. Efa tena mahantra ny Malagasy noho ny krizy nifanesisesy teto, ka io no mahatonga ny olona hangalatra, hoy ny amiraly Ratsiraka. Andao isika hiresaka ka hiatrika ny filoham-pirenena am-perinasa, ireo filoha nitondra teo aloha, ny firaisamonim-pirenena, ny mpanao politika mba hikaroka hevitra sy hifandresy lahatra. Alefa mivantana amin’ny haino aman-jerim-pirenena sy iraisam-pirenena ny adihevitra. Nahitsy ny Deba nilaza fa tsy izy velively no tao ambadiky ny fikasana hanongana ny filoha teny amin’ny antenimieram-pirenena. Tsy manana malety ampiasaina amin’izany aho, hoy izy. Nambarany fa nisy ihany koa ny soso-kevitra efa natolony ny filoha Rajaonarimampianina tahaka ny fanafoanana ny delestazy ao anatin’ny 9 volana, ny fampihenana ny vidin’ny solitany sy ny etona eto Madagasikara, ny fanamboarana Autoroute amin’ny faritra maro, saingy tsy nisy valiny azo fa toa valy boraingina no reko tamin’ny vaovao hoe : hajao ny lalàmpanorenana ary avelao ny mpitondra hiasa, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.