Politique

Didier Ratsiraka Nanao ampamoaka


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2016

Toy ny vara-datsaka ny ampamoaka nataon’ny filoham-pirenena teo aloha sady filoha mpanorina ny antoko Arema, Didier Ratsiraka nandritra ny diany tao Antsiranana ny sabotsy 8 oktobra 2016, nankalazana ny faha-40 taonan’ny Arema

. Nambarany nanoloana ny olona maro nanotrona azy tao amin’ny Foyer Secren fa « nandalo tao Toamasina ilay sambo hopitaly « Merci Ships » nizara fahaizana, nitsabo ny marary, nefa tokony nosavaina nialoha ny nandehanany tamin’ny volana jona 2015, fa nisy volamena 15 taonina naondrana tao ambadik’izay ». « 21 taonina » hoy ny lohanom-baovao hafa. Fihaonan’ny Amiraly Didier Ratsiraka voalohany tamin’ny Vahoakan’Antsiranana io, taorian’ny niverenany an-tanindrazana tamin’ny 24 novambra 2011, ka nilazany fa tsy tonga hanome lesona izy, fa miantso ny samy Malagasy hihavana, toy ny nihavanany tamin’ny Pr Zafy Albert na teo aza ny fifandonana namoizana aina mpitolona niisa valo tao Arrachard tamin’ny 1991. Aha tsy milamina eto Madagasikara, hoy i Deba, tsy hisy fampandrosoana ho vanona. Momba ny fiainam-pirenena dia nanamafy izy fa handray anjara amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ny Arema, ary kongresy no hanendry izay kandida harotsaka amin’izay. Efa Atoa Simon Pierre, hoy izy, no mikarakara ny fiainan'ny antoko amin’izao.

Nanipika mazava ny Amiraly Ratsiraka, fa tsy manongam-panjakana an-dalambe ny Arema tsy midika anefa izany fa mankasitraka ny zava-misy ankehitriny. Nanamafy ny tokony hisian’ny adihevitra hihaonan'ireo filoha efatra nifandimby ny tenany ary alefa mivantana amin'ny televiziona sy radiom-panjakana sy tsy miankina izany ho fanta-bahoaka. Notsenaina tamin'ny fomba manentriketrika tao seranam-piaramanidina Arrachard moa io saboty 8 oktobra io ny filoha mpanorina antoko Arema ny Amiral Didier Ratsiraka tamin'ny fahatongavany tany Antsiranana, tanàna izay nahaterahan’ireo zanany roa vavy Annick sy Sophie Ratsiraka. Feno hipoka ny Foyer Secren, tonga maro ireo kamarady Arema, toa an-dry Totobesola Jean Pierre.

Jean D.


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT